Ny anjara dia azo hialana sy azo zaraina, fa ny andraikitra dia raikitra amin'izay voakasika. Na banga aza ny toeran'ny reny eo anivon'ny ankohonana noho ny fahafatesana na noho ny asa dia efa nisy toetra amam-pihetsika efa tafita amin'ny zanaka, eo ihany anefa ny tsy fahampian'ny fitiavana sy fampitàna fahaizana miaina. Na misy olona hafa aza manolo na hasolo ny reny amin'ny andraikiny dia misy fiatraikany amin'ny fanabeazana ny zaza foana, ara-tsaina, ara-pahasalamana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny fanabeazana fahaizana miaina dia tsara ny hanombohana azy ao amin'ny ankohonana. Ny fampianarana dia voafetra ara-potoana (ora na andro, volana), izay mety tsy hiantraika amin'ny fitondran-tena andrasana, azo lazaina ho maimaika ; fa ny fampitana dia mahakasika ny fo, ny saina, ny vata ary fanahy izay tsy voafaritry ny fotoana. Ny fampitana, izany no tsara himasoana. Ny fahaizana miaina dia faizana mitondra tena, tovozina sy lovaina avy amin'ny ray aman-dreny amin'ny alalan'ireo fitondran-tena mendrika asehon'izy ireo... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny hoe antitra dia ireo olona efa osa, tsy ampy fahasalamana sy tanjaka entina miasa, verivery saina sy fitadidiana ; ny zokiolona kosa dia ireo olombelona 60 taona no mihoatra. Tsy tokony ary ilaina hitandremana ny fanilikilihana ireo zokiolina sy ny antitra. Ho fitsimbinana ny aina sy ny hery dia tsara no handanjalanjana ny fampiasana vatana, anefa tsy tokony hipetra-potsiny ihany koa. Ilaina amin'ny vanim-potoana maha zokiolona ny fanetseham-batana, eny fa na ny vanin-taolana ihany aza... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny talenta matetika tsy tsikaritry ny olona anefa isan'ireo afahana mampivoatra ny fiainana. Ny talenta dia fahaizana voajanahary. Ny olona rehetra dia manana talenta avokoa, miainga avy amin'ny vavahadin-tsaina dimy. Ny fomba hamantarana ny talenta, dia ireo olona kinga mahay sy mahazo vokatra tsara ary mahazo fifaliana amin'ny hetsika nataony. Ilaina ny fikolokoloana ny talenta mba hazoana vokatra tsara kokoa, ary maro ireo manao ho fototr'asa ny talentany. Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nafindra ho isaky ny Alahadin'i Kristy Mpanjaka ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora isaky ny Diosezy, nanomboka ny taona 2021… • Higadona rahampitso ao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny “reliques” an'i Md François d'Assie, manohy ny fitetezam-paritra ataony mialoha ny famaranana ny Jobily faha-800 taona nahafatesany… • Mitovy avokoa isika rehetra eo anatrehan'ny lalàn'Andriamanitra, hoy ny Ray masina nandritra ny vavaka Angelus omaly…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco