Tato anatin'ity telo volana voalohany amin'ny taom-pianarana ity dia maro ireo tsy fahatomombanana ara-potoana sy ara-pampianarana noho ireo fitokonana ; maro ireo sekoly no tamin'ny 10 novambra vao tena nianatra. Ireo mandrafitra ny telozoron'ny fanabeazana dia manana adidy hampaomby ny fanabeazana sy fampianarana. Ny Mpisehatra amin'ny fanabeazana dia manana adidy hampahery ny mpianatra manoloana ny famitàna tetiandro-pampianarana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny sakafo no zava-dehibe indrindra ho an'ny fahasalaman'ny zokiolona. Ny torimaso mitana anjara andraikitra betsaka ho an'ny fahasalamana ihany koa. Ny fanaovana fanatanjahantena dia singa fahatelo entina mikajy ny fahasalamana, ho an'ny zokiolona, indrindra izay afahana manetsika ny vanin-taolana. Ny fampiasana saina ihany koa dia ilaina mba hitahirizana ny fitadidiana, manampy ireny ny fanadiovana ny vatana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Miorom-paka : rehefa mahazo faka ny voa iray dia mivoatra tsikelikely ny fitomboany ary tonga ho hazo lehibe ary isika olombelona dia toa izany ; ny singa rehetra azo eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka fandrosoana ho an'ny olona iray, amin'ny lafiny ara-batana, ara-panahy. Ny fisokafana amin'ny fiaraha-monina amin'ny lafin-javatra hafa dia lalana iray hizorana amin'ny fandrosoana, afaka mandray sy afaka mizara fahalalana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny zokiolona dia ireo 50 taona mihoatra, sokajin-taona vaovao ary toe-pahasalamana vaovao no iainan'ireo olona ireo : fanimpanina, tsy mahare loatra, fahasalamana anaty, fiovana ety ivelany. Ny taona dia mifamatotra amin'ny fahasalamana, misy araka izany ny fepetra raisina mba afahana manara-maso ny fahasalamana ; ilàna fandanalanjana ny sakafo sy ny fihetseham-batana.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco