Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.

Kaoperativa miara-miasa amin'ny Foibe FAFIALA ho fanomezan-danja ity asa tanana tena malagasy ity. Misokatra azon'ny rehetra tsidihana ny tranon-dandy nahorin'ny Foibe FAFIALA eny amin'ny foiben-toerany eny Ambohimangakely nanomboka ny volana ôktôbra lasa teo. Hita ao avokoa ny vokatry ny kaoperatiba "Landy Avotra" sy ny fahaiza-manaon'ireo mpanao asa tanana mivelona aminy.

Ankohatra ny fampirantiana sy ny fivarotana ireo asa tanana vita avy amin'ny landy, dia toerana natao hanomezan-danja ny fizahan-tany eto Analamanga koa ny tranon-dandy eny Ambohimangakely hoy ny filohan'ny kaoperativa "Landy Avotra" Rakotoariniaina Rodin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...