Hiroso amin'ny fifidianana any amin'ny fokontany, ny kaominina, ny distrika ary ny faritra ny eo anivon'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra manomboka amin'ity volana nôvambra ity. Tapitra mantsy y fe-potoan-kiasan'ny birao sy ny filan-kevi-pitantanana. Hanomboka ny 20 nôvambra izao ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ka ny tantsaha manana karatra maha mpikambana no afaka mandray anjara amin'ny fifidianana ho an'ny eo anivon'ny kaominina noho miakatra...

Ny tantsaha rehetra kosa no afaka mandray anjara amin'ny fifidianana eny anivon'ny fokontany na manana karatra maha mpikambana na ho an'ireo tsy manana izany. Hitohy eny anivon'ny distrika sy ny faritra ny fifidianana rehefa vita izay fifidianana eny anivon'ny Kaominina izay.

Manentana ny tantsaha rehetra hiatrika ny fifidianana manomboka amin'ity volana nôvambra ity ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly. Tsy misy ny fampielezan-kevitra ho an'izay fifidianana eo anivon'ny tranoben'ny tantsaha izay hoy ny filoha nasiônaly Razafimbololona Angeline.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...