Miteraka faharatsian'ny kalitaon'ny hena vokarina ny tsy fahalavorarian'ny sakafo omena ny biby fiompy. Mbola ambany ny fampiasàn'ny tantsaha mpiompy ny provandy hanatsaràna ny sakafon'ny biby fiompy mba ahazoana vokatra tsara kalitao... 

Noho ny halafosan'ny provandy no antony voalohany mahatonga izany hoy Andriamatoa Ratefiarison Mandrindra, teknisiana eo amin'ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ; ka nahatonga azy nanoratra boky mba ahafahan'ny tantsaha eny ambanivohitra sy ireo misehatra amin'ny fiompiana hahaleon-tena manamboatra provandy. Voarakitra ao anatin'izany boky ahitàna pejy 72 izany ny raiki-pohy amin'ny fanamboarana provandy ho an'ny akoho amam-borona, ny omby vavy be ronono, ny kisoa... Nandritra ny fotoanan'ny fihibohana teto amintsika tamin'ny taon-dasa no namolavolany azy. Mandrindra ny fanoratana ny boky ary ny volana novambra lasa teo no namoahany izany. Efa hita eny amin'ny toeram-pivarotam-boky, indrindra ireo mivarotra ny boky momba ny fiompiana sy ny fambolena ity boky ity...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...