Toy ny isan-taona dia mikarakara ny antsoina hoe “Andro Sosialy” ny Asam-pamonjena sosialy sy ekolojika izay tantanan’ny Fikambanan’I Jesoa eto Madagasikara, mba ijerena akaiky sy itadiavana vahaolana manoloana ireo olana diavin’ny fiarahamonina. Araka ny lohahevitra dia hiresaka mahakasika ny fifidianana ity hetsika lehibe ity. Ny tanjona dia (i) ny hisoroka izay fifandirana ahiana hiseho na amin’ny lafiny ara-politika izany na amin’ny lafiny hafa toy ny firohotana isan-karazany na ny fikambanana ara-tsosialy, ka hisongadina ao anatin’izany ny firesahana ny etika sy ny moraly tokony ananana amin’ny andraikitra ara-politika... Fandaharana "miaina sy mitia"

(ii) ny hanena ny fifanolanana sy tsy fitovian-kevitra momba ny tsy fitoviana ara-tsosialy, ara-koltoraly sy ara-pinoana izay mety hitarika fifandirana: ary (iii) ny hitady ireo torolalana hitondra any amin’ny fampiroboroboana ny toe-tsaina sy kolontsaina mandàla lalàna, mahay mifanakalo hevitra ary manaja ny etika

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...