14 febroary — I Cyrille dia teraka tao Thessalonique ny taona 827 ary maty ny 14 febroary 869 tao Roma. Méthode rahalahiny kosa dia teraka ny taona 815 tao Thessalonique ihany ary maty ny 06 aprily 885 tao Grande Moravie.

Masindahy Cyrille

Constantin no tena anarany fa tamin'ny taona 867 izy no nitondra ny anarana hoe Cyrille tamin'izy niditra ho mpitoka-monina. Fito manadahy izy ireo no mpiray tampo ary iray tamin'ireo i Méthode. I Méthode ihany koa dia anarana maha "moine" azy fa Michel no tena anarany. Manamboninahitra légionnaire tao Thessalonique ny rain'izy ireo. Vao 14 taona i Constantin na i Cyrille dia maty ny rainy ka ny Impératrice Théodora tao Constantinople no nitaiza sy nanabe azy. Nandalina ny filôzôfia izy fa i Méthode kosa lasa governora tao amin'ny distrika. Rehafa nohamasinina ho pretra i Cyrille dia notendrena hikarakara ny tranom-boky Masimbavy Sophie ary avy eo lasa mpampianatra tao amin'ny Université Impériale. Nandritra izay fotoana izay dia lasa nirotsaka ho mpitoka-monina tany amin'ny tendrombohitra Olympe tany Bithynie i Michel ary naka ny anarana hoe Méthode. I Constantin kosa rehefa tafaverina avy any amin'ny iraka nampanaovina azy tany amin'ireo Arabo vao namonjy an'i Méthode tao amin'io trano fitokana-monina io. Ny taona 860, nalefan'ny Amperora Michel III hamita iraka tany amin'ireo Khazars izy mirahalahy. Roa taona taorian'izay, nalefa tany Moravie satria nitady pretra mahay miteny "macédo-slave" ny Grand Duc tany. Tany i Cyrille no namorona ny abidy glagolitique, ary io no lasa fanoratana ny Baiboly sy ny boky fivavahana ho an'ny Eglizy Tatsinanana. Nitondra hery lehibe ho an'ny ptretra grika ny sangan'asan'izy mirahalahy ireto. Ny taona 867 dia noraisina ho mpitoka-monina tany amin'ny trano fitokana-monina grika izy ireo. Tao no nandraisan'i Constantin io anarana hoe Cyrille io. Narary mafy i Cyrille ka ny 14 febroary 869 izy no nantsoin'ny Ray handray ny valisoan'ny asany teto an-tany. Tao amin'ny fiangonan'i Masindahy Clément tao Roma no nametrahana ny nofony.

Masindahy Méthode

I Méthode dia i Michel no tena anarany ary governora tao amin'ny faritany slave izy. Ny taona 840 izy no nandao io asa maha governora io ka nankany amin'ny tendrombohitra Olympe mba hitoka-monina. Araka ny efa nambara teo dia niaraka tamin'i Cyrille namita iraka tany amin'ireo Khazars izy. Fa avy any izy dia notendrena ho arseveka tao Panonie sy Moravie ny taona 869. Izy ihany koa no solontenan'ny Fiketrahana Masina teo amin'ireo slaves. Niverina tany Panonie izy avy eo ary nisy ny tsy fifankahazoana tamin'ny arseveka tao Salzbourg. Nanameloka azy ny sinaody tao Ratisbonne ka nalefa tany Ellwangen izy. Ny papa Jean VIII no nanafaka azy tany ny taona 873 fa nolavina kosa ny fombam-pivavahana slavonne izay nentiny. Tsy nitsahatra mihitsy mandram-pahafatiny ny fifandonan'i Méthode tamin'ireo eveka napetrak'i Roma. Ny taona 885 moa izy no nantsoin'ny Ray hody any aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...