02 aprily — I François dia teraka tamin'ny taona 1416 tao amin'ny tanana kely anankiray antsoina hoe Paule, ary izay no mahatonga ny anarany ho François de Paule, any Calabre any io toerana io. Niavaka ny fahazazany satria raha mbola kely izy dia efa voasintona sahady hiari-tory amin'ny fiambenana masina sy ny vavaka.

Raha vao mifoha maraina izy, ny ao an-tsainy voalohany dia ny hiazakazaka ho any am-piangonana. Any no handaniany ny androatokon'androny, fa hoy izy hoe : "tsy misy sorisory na oviana na oviana ny miaraka amin'Andriamanitra". Indray andro, raha nanao raozery izy, nangatsiaka ny andro tamin'izany ary tena namanala, dia nasain'ny reniny nosaronana ny lohany, fa hoy izy : "Neny ô ! Rehefa miresaka amin'ny mpanjakavavy aho dia asainao esorina ny satroko, i Masina Maria anie ka ambony noho ny mpanjakavavy rehetra, satria renin'Andriamanitra izy, ka nahoana aho asainao misatroka amin'izao manao raozery izao ?"

Teo amin'ny faha-13 taonany dia napetraky ny ray aman-dreniny tany amin'ny trano fitokana-monin'i Masindahy François i François de Paule. Herintaona teo izy no tany, tena nahagaga ny hatsaram-panahiny sy ny fanajana fitsipika fa maro ihany koa ny fahagagana niseho tamin'ny alalany. Indray andro, nirahana naka afo izy handorana ny emboka manitra, nihazakazaka izy, tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Tsy hitany izay hitondrana ny afo ka nentiny tamin'ny akanjony ny harina mirehitra ary noraisiny tsirairay ireo avy eo nampidina tao amin'ilay fatana handorana ny emboka. Ny nahagaga anefa dia tsy nisy na iray aza may, na ny tanany na ny akanjo nitondrany ny afo. Teo amin'ny faha-14 taonany àry, dia lasa izy nandeha nitoka-monina samirery, ary nitoetra tany anaty lava-bato nanamorona ny ranomasina. Niaina tany izy, ary naniry ny ho faty tany, tsy ho hitan'iza na iza. Ny sitrapon'Andriamanitra anefa tsy izany, nitombo ny mpianatr'i François de Paule ka tao anatin'ny enin-taona dia tsy maintsy nanorina trano izy, ary nanorina trano fitokana-monina lehibe mihitsy. Hoy ny filazan'ny mpitantara hoe : "ny fahagagana no maro tao amin'io trano io noho ny vato sy hazo izay nananganana azy".

Maro tokoa ny fahagagana izay nasehon'Andriamanitra teo amin'ny fiainan'i Masindahy François de Paule. Maro ireo marary efa kivy fa nambaran'ny mpitsabo ho tsy misy fanafana intsony, no nositraniny. Nisy koa ny natsangany ho velona, ary ny nahavariana dia ny fahafahany niampita ny ranomasina nanasaraka an'i Calabre sy Sicile ka ny akanjony no ataony fiampitana tamin'izany ary mbola nisy frera roalahy niaraka taminy. Fa ny tena fahagagana dia ny fahamasinany mihitsy. Mandritra ny alina, raha matory ireo namany, dia izy mivavaka ihany. Ary any am-pandehanana amin'ny vato sy ny fotaka sy ny ranomandry sy ny rano izy dia tsy mba manao kapa na kiraro. Ny akanjony dia malailay, ireny antsoina hoe cilice ireny, ary ny fandriany dia ny tany. Mba hanahafany ny Tompo àry, dia tsy mihinan-kanina mihitsy izy mandritra ny vanim-potoana karemy.

25 taona no nipetrahany tany France, ary anisan'ny nisongadina tamin'ny fitantanana am-panahy nataony tamin'izany ny fanomanana ny mpanjaka Louis XI ho tsara fahafatesana. Marihana etoana fa tany France, tao amin'ny trano fitokana-monina Plessis-lès-Tours i Masindahy François de Paule no maty ny 02 aprily 1508. Ambaran'ny tantara fa andro zoma izy io, ary tamin'ny telo tolakandro no nodiany any amin'ny mandrakizay. Ny taona 1513 no nasandratry ny papa Léon X ho olontsambatra i François de Paule, ary nambara ampahibemaso ho olomasina ny taona 1519.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...