09 mey — Ny Pacôme resahina amin'ity androa ity dia ilay Pacôme teraka tamin'ny taona 292, tany Thébaïde. Mbola tsy kristianina ny ray aman-dreniny, ary tambanivohitra ihany koa nefa nanan-karena ihany. Nianatra namaky ny soratra copte i Pacôme.

Tokony ho tamin'ny taona 312, dia nalaina an-keriny ho miaramila ao anatin'ny tafiky ny amperora Maximin Daya izy mba hianady. Tamin'izay no nihaonany tamin'ny mpitoka-monina iray, be fiantrana sy be fitiavana, ka nanazava ny sainy sy ny fanahiny ny fihetsik'io mpitoka-monina io, ary izay no nahatonga azy amin'ny fivavahana kristianina. Rehefa nafahana tany amin'ny ady izy tsy ho miaramila intsony, dia nandeha nianatra ary nandray ny batemy ka lasa mpianatr'i Palamos, ilay mpitoka-monina nifanena taminy io, tamin'ny taona 316. Nambaran'io fa ny mofo sy ny sira ihany no sakafo, ary tsy mahafantatra izany menaka sy divay izany any amin'ny fitokana-monina. Ny antsasaky ny alina dia natao hihirana ny Salamo na andinihina ny Soratra Masina, indraindray dia tsy matory ny alina na dia indray mipi-maso aza. Gaga i Pacôme fa tsy kivy anefa, ary namaly hoe : miaraka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra dia hefako ny miaina izany mandram-pahafatiko, tena nahatoky tamin'ny teny tokoa i Pacôme ka nanomboka teo dia nirotsaka tamin'ny famolahan-tenan'ny fiainan'ny mpitoka-monina izy.

Raha nankany amin'ny tany efitra tao Tabennèse izy, manamorona ny ranon'i Nil, dia nisy anjely avy any an-danitra nitondra ho azy fitsipi-piainana, ary nanome azy baiko avy amin'Andriamanitra ny hanangana trano fitokana-monina. Tao anatin'io fitsipika io, ny fifadian-kanina sy ny asa dia mifanentana amin'ny tanjaky ny tsirairay ; mihinana miaraka amim-panginana ny iray trano, tsy verivery foana ny fotoana, ary henjana ny lalan'ny fanginana ; raha miala eo amin'ny toerana iray ho eo amin'ny toerana hafa dia tokony handinika andalan-tSoratra Masina ; mihira ny Salamo, eny fa na dia miasa aza ; ho tery io trano io atsy ho atsy ary tsy maintsy manangana trano enina hafa eo akaiky eo. Izay no voasoratra tao anantin'izay fitsipi-piainana nentin'ny anjely izay. Dia niitatra tsikelikely tokoa ny asan'i Pacôme ka nampitolagaga, mitovy amin’ny an'ny Masindahy Antoine izay natomboka roapolo taona talohany, ny firoborobony, tany Tabennèse, tao Thébaïde moa io toerana io.

Tamin'ny taona 323, tonga nanatona azy ny voalohany tamin'ny andian'ny mponina avy eo amin'ny manodidina, tsy nahavita nilefitra tamin'ny fitsipi-pipehezana anefa ireo ka noroahiny. Ny fanekena mantsy no toe-panahy tena atoron'i Pacôme ireo relijiozy ao aminy, ary tena saziany mafy mihitsy ireo mandika izany lalana izany. Indray andro, niteny tamin'ny mpitoka-monina iray izy mba hanapaka ilay hazon'aviavy, mbola feno voany mahafinaritra, izay manome fakam-panahy an'ireo nôvisy. Fa hoy ilay nirahina taminy hoe : nahoana moa mompera no tadiavinao tapahina io aviavy io, ny voan'io anie dia efa ahafahantsika mivelona e ? Tsy namaly i Pacôme fa ny ampitson'io ihany dia tonga maina ho azy teo ilay aviavy. Io no nanehoan'Andriamanitra ny fahamendrehan'ny fanekena lavorary, ary voalaza fa manana fahefana tamin'ny zava-boahary i Pacôme : madeha eny ambony bibilava izy fa tsy manino azy ny biby ; raha mamakivaky ny Nil izy mba hitsidika ireo trano fitokana-monina naoriny, dia milefitra eo anoloany ny voay ary mampita azy ery an-dafin'ny rano.

Nitombo ny olona tao aminy, nanomboka 329 dia trano dimy no naoriny manamorona ny onin'i Nil, ka nantsoiny hoe ankohonana na firahalahiana. Nosokajin'i Pacôme ho kilasina foko izy ireo, ary dia samy manana ny lehibeny hifehy sy ny lefitra na ny mpitantam-bola iray. Nifindra tany amin'ny trano fitokana-monina faharoa izy ny taona 337. Ary ny taona 340 dia nanorina vondrona fitokana-monina telo hafa indray izy. Ny 9 mey 346 no nodimandry i Pacôme vokatry ny valan'aretina pesta tamin'izany fotoana izany, nambara fa tamin'ny fotoana nialany aina dia nahita anjely teo aminy izy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...