20 mey — Ny 08 septambra 1380 tao Massa Martima, no teraka avy amin'ny fianakaviana andriana i Bernardin. Vao telo taona monja izy dia maty ny rainy ary teo amin'ny faha-6 taonany izy no nodimandry ny reniny ka ny nenitoany no nitaiza azy.

Nianatra lalana tao amin'ny sekoly ambony tao Sienne izy, fa ny famakiana ny sangan'asan'i Masindahy Jérôme no nanaitra azy ka nahatonga azy nianatra ny Soratra Masina sy ny teôlôjia nony feno 18 taona. Ny taona 1400, nandripaka ny mponina tao an-tanana ny pesta mainty ka i Bernardin sy ireo namany nivondrona tao amin'ny Mpitolon'ny fitiava-namana no nitsabo sy nikarakara ireo olona tao hatramin'ny farany. Tratran'ilay aretina ihany koa ny nenitoany ka dia nitsabo sy nikarakara an'io no nataon'i Bernardin, nandritra ny volana vitsivitsy, mandram-pahafatin'ilay nenitoany.

Ny 08 septambra 1402 àry, feno 22 taona izy ary nanapa-kevitra hiditra ao amin'ny Frera madinika na ny Fransiskana, nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany. Ny 08 septambra 1404 izy no nanolotra ny Sorona Masina voalohany sy nanomboka nitory teny. Nandritra ny 12 taona no nikarakarany ny fanofanana ireo Frera madinika. Ary mandritra ny fotoam-pahanginany no hanoratany sy handinihany ny momba ny teôlôjia sy ny famolahan-tena izay nampihariny teo amin'ny fiainany. Ny taona 1417, voatendry ho lehiben'ny faritra izy, ka nanomboka nitory teny nanerana ireo tanan-dehibe tao Italie. Nalaza tamin'ny fahaiza-miteny izy, ary nampiavaka azy ny fahasahiana milaza ny tsy mety eo amin'ny fiaraha-monina sy ny famohafoazana ny finoana, indrindra fa ny fitoriana sy ny fanajana ny Anara-Masin'i Jesoa. Ny taona 1437, voatendry ho vicaire général izy, ary lasa nafana fo tamin'ny fanavaozana ny fikambanana. Nomena hitantana diôsezy izy ka nampisafidianina ny hoe ao Sienne sa any Ferrare, sa Urbino ; nefa dia samy nolaviny ireo toerana ireo. Nondaosin'ny fahafatesana ny 20 mey 1444 izy tao Aquila raha nirahina handamina ny fisaraham-bazana nisy tany. Ny papa Nicolas V no nanandratra azy ho olomasina ny 24 mey 1450.

Ny nimasona'i Bernardin de Sienne dia ny fampihavanana ireo izay nisara-bazana sy ny fanamelohana ireo maka tombony mihoa-pampana amin'ny varotra indrindra fa ny fanambakana ny madinika. Hoy izy : "Raha manana akanjo maro ianao, mihoatra ny fono ananan'ny tongolo dia ampiakanjoy ny mahanatra, fa raha tsy manan-kirakofana ny nofony sy ny anao, dia nofo iray ihany". Ny Anara-Masin'i Jesoa no hery iray ampiasainy, ary nahomby. Nosoratany vaventy tamin'ny ranom-bolamena ny hoe "Iesus Hominum Salvator" na ny "IHS" : "Jesoa Mpamonjy ny olombelona" ary nasiany an'ireo avokoa ny sangan'asany : ny boky, ny taratasy, ny fivavahana... ny fahitan'ireo mpihaino azy izany soratra izany dia efa nampibebaka olona maro. Maro ireo olona nanenjika azy, fa tsy nampihontsona azy izany, vao mainka aza izy nankaherezin'ireo papa nifandimby tamin'izany dia ny papa Martin V sy i Eugène IV. Teo ihany koa ny kôsilim-paritany tany Suisse, nandritra ny efataona, ny 1438 ka hatramin'ny 1442, naha Filoha lefitry ny fikambanana azy dia nitombo avo folo heny ny trano fitokana-monina naoriny, izany hoe 20 lasa 200. Nandresy lahatra ireo Frera tsy nankasitraka ny fianarana ambony no nataony ary nanorina toeram-pianarana teôlôjia izy ka nambarany tamin'ireo Frera ireo fa ny tsy fahalalana dia tena loza be noho ny fahantrana. Narovany mafy ny fiombonan'ny fikambanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...