18 aogositra — Tokony ho tamin’ny taona 255 i Hélène no teraka tany amin’ny faritan’i Bithynie. Constance Chlore no vadiny, jeneraly romanina izy io izay nampakatra azy ho vadiny ny taona 272, ary tamin’ny taona 275 no nanan’izy ireo an’i Constantin zanany lahy.

Nanaja an’i Hélène fatratra io zanany lahy io. Rehefa lasa amperora romanina tandrefana i Constance dia nilaozany i Hélène ka nanambady an’i Theodora izy. Ny taona 312 teo amin’ny faha-60 taonany teo i Hélène no nibebaka ho kristianina izy, izany hoe nanara-dia ny finoana kristianina, ary naneho fitiavam-bavaka lehibe izy tamin’izany. Ary tamin’izay i Hélène dia nanatona an’i Constantin tao amin’ny lapa tao Trèves. Ity toerana ity no nandraisan’i Constantin fahefana tao aorian’ny fanabeazana sy ny fiofanana noraisiny tany amin’ny tany atsinanana. Rehefa lasa amperora i Constantin dia nandray ny ilan’ny atsinanana ny ampira romanina izy.

Tamin’ny faraparan’ny fiainany i Hélène dia nanao fivahinianana masina tany Palestine. Ary nanorina ny fiangonana “Nativité” tao Betilehema sy ny fiangonana Saint-Sépulcre. Tamin’izay no nahitany ny hazofijaliana nifantsihan’i Jesoa, ilay antsoina hoe “invention de la Vraie Croix” ary izany no nahatonga ilay sary famantarana ny talohan’i Masimbavy Hélène misy an’izany lakroa izany. Tao aorian’ny nahafatesan’i Hélène dia nanorina fiangonana ho fanajana ny hajofijaliana tao amin’ny rovan-dreniny tao Roma i Constantin. Marihana fa ny taona 327 i Hélène no nodimadry tany Nicomédie.

Ireto ny toetra isany nampihavaka an’i Masimbavy Hélène : namahana ireo mahantra izy, misy ireo nomeny vola, ao ireo notolorany fitafiana, ny sasany nahazo trano na tany. Fahasambarana ho an’i Hélène ny fanaovana izany. Tsy ireo ihany no anaovany asa soa fa eo koa ireo voafonja, ireo voasesitany sy ireo mijaly. Fitafiana tsotra sy mitovy amin’ny an’ny rehetra no anaovan’i Hélène miditra ao am-piangonana ary milahatra miaraka amin’ireo kristianina izy na dia hoe renin’ny amperora aza. Tao amin’ny Vaovao Mahafaly no nanovozany izany fitondran-tena izany. Nahafaly azy ny nahita an-janany mpiaro ny fivavahana kristianina sy tonga kristianina. I Masimbavy Hélène dia mpiaro ny mpanadio lamba sy ny mpanao fanjaitra ary fantsika, antsoina ihany koa izy hiaro amin’ny afo sy hanampy amin’ny fitadiavana zavatra very.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...