Tsy tonga hitondra fiadanana Aho...

Alakamisy 22 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53 — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Tohiny...

27 septambra — Teraka ny 24 aprily 1581 tao amin’ny tanana kely ao Landes antsoina hoe Pouy i Vincent de Paul. Fianakaviana tantsaha manetry tena no nipoirany, mpiandry kisoa no asany tamin’ny fahatanorany. Nanapa-kevitra ny hanao pretra izy ka nanohy ny fianarana tany Dax sy tany Toulouse teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany.

0 : 00

Ny taona 1600, sivy ambin’ny folo taona izy tamin’izay no nohamasinina ho pretra. Tamin’ny taona 1605 raha ho any Narbonne iny izy avy any Marseille dia notafiahan’ny jiolahin-tsambo tonizianina ny sambo nandehany. Tao aorian’izay dia nandalo tao Roma izy fotoana vitsivitsy mba ho any France ny taona 1608. Nihaona tamin’ny mpanjaka Henri VI izy ary niasa tao an-dapa nandritra ny roa taona. Tao aorian’izay nijanona tao amin’ny tanana akaikin’i Paris, ary niasa tao Clichy. Nisy fianakaviana iray mpanan-karena tao France antsoina hoe de Gondi niangavy azy mba hamory hetra ka dia nanaiky i Vicent de Paul. Nandrindra fihavanana tsara tamin’ireo fianakaviana ireo izy mba hanohanany ny fiainany amin’ny ady atao amin’ny fahantrana sy ny fanilikilihana.

Ny taona 1667 teo amin’ny fahenina amby telopolo taonany izy no niova tampoka ny fiainany. Tamin’ny fanatrehany lehilahy mahantra nikônfensy taminy talohan’ny fahafatesany. Nilaozany àry ny harena ary niova famindra izy. Niezaka izy ny hitondra fanovana teo amin’ny fiaraha-monina, ka niriny mihitsy ny mba hahomby ny fanampiana nentiny tamin’izany. Tamin’io taona io ihany dia nitantana fiangonana vaovao izy, fiangonana izay tena mbola nahantra tokoa. Nanakaiky an’i Lyon ary nanorina ny fikambanana nantsoina hoe “Confrerie de la Charité”. Roa taona tao aorian’izay moa izy no voatendry hikarakara ireo “galèriens”, mihaino azy ireo, manampy azy ireo. Ny taona 1625 izy no nanorina ny “Congrégation de la Mission” tao amin’ny chapelle Saint Lazare tao Paris mba hitory ny Vaovao Mahafaly any ambanivohitra. Ireo moa ilay pretra antsointsika amin’izao fotoana izao hoe “Lazaristes”. Niezaka mafy i Vincent de Paul ary nonorina fikambanana roa hafa ihany koa dia ny “Compagnie des Filles de la Charité” sy ny “Dames de la Charité”. Ireo fikambanana ireo dia naoriny mba hikarakara ireo ahiliky ny fiaraha-monina, ireo ankizy tsy misy mpiahy eny an-dalam-be, ireo marary, ireo voaheloka, ireo zaza nilaozan-dray aman-dreniny. Natolony manontolo ny tenany ary izy mihitsy no manome ohatra ho an’ireo namany amin’ny fizarana sakafo, ny fihainoana ary ny fankaherezana ireo olona iahian’izy ireo .

Ny 1639 dia tany amin’ny toby tany amin’ny ady tany Lorraine i Vincent de Paul mba hitondra fanampiana ho an’ireo naratra sy ambavahaonan’ny fahafatesana. Nandritra izany fotoana izany dia tsy nitsahatra nifandray tamin’ny mpajaka izy mba hanampy azy ara-bola amin’ny asa ataony. Izy raha teo koa moa no mpitantana ara-panahy ny mpanjaka Louis XIII. Ary io fifaneraserany tamin’ireo manam-pahefana ireo no nahafahany nampiravina ny ady teo amin’ireo matanjaka. Na dia efa antitra aza izy dia niditra an-tsehatra nandrava ny adin’i France toy ny tao Picardie sy ny tany Champagne. Maro ihany koa ny fikambanana naoriny tany ivelany, ohatra ny hoe tany Alger, taty Madagasikara, tany Pologne. Ny tany Paris moa dia misy toeram-pitsaboana naoriny ny taona 1654 nampitondrainy ny anarana hoe Saint Nom de Jésus. Nodimandry tao Paris ny 27 septambra 1660 i Vincent de Paul ary nasandratra ho olomasina ny 1737, izany hoe fito amby fitopolo taona tao aorian’ny nahafatesany.