15 ôktôbra — Teresa Sánchez de Cepeda Dávila y Ahumada no tena anaran'i Thérèse d'Ávila. Teraka tao Espagne ny 28 marsa 1515 izy, fahatelo amin'ny ankizy roa ambin'ny folo mianadahy. Ny fahatanorany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny fiarahana tamin'ireo mpiray tampo aminy marobe ireo. Marani-tsaina i Thérèse fa tovovavy somary jejojejo izay izy.

Teo amin'ny fahefatra ambin'ny folo taonany izy no maty ny reniny, ka nanohy ny fianarany tao amin'ny fikambanan-dry masera Augustines. Noho ny fito ambin'ny folo taona i Thérèse dia nahatsapa fa samy tsy natao ho azy na ny ho relijiozy, na ny fanambadiana. Fa indray andro, namaky ny taratasy nosoratan'i Masindahy Jérôme izy, ary io no nampitsiry tao aminy ny faniriana ny fiainan'ny mpitoka-monina. Tsy nankasitraka izany ny rainy ary nilaza taminy hoe : "Mahandrasa ny andro ahafatesako, izay vao manao izay tianao". Tsy niandry izany anefa i Thérèse fa ny taona 1535, roapolo taona izy tamin'izay, dia nankany amin'ny fikamban-dry masera Carmel de l'Incarnation. Mpitoka-monina tsy mihiboka izy ireo, ary mamela ny mpikamba hiditra sy hivoaka. Ny 02 nôvambra 1536 no nandray ny akanjo maha relijiozy azy i Thérèse, ary herintaona tao aorian'izay no nanononany ny voady nilazany hoe : "Mangataka ny famindram-pon'Andriamanitra aho, sy ny fanotronan'ireo rahavaviko".

Ny taona 1538, narary mafy i Thérèse ka niverina tany amin'ny fianakaviany. Efa tsy nahatsiaro tena izy tamin'izany, nomena ny sakramentan'ny marary, efa nolavahana ny fasana handevenana azy, kanjo, indro niverina nihatsara izy. Lasa izy niverina tany amin'ny trano fitokana-monina na dia mbola tsy dia tsara loatra aza, mbola nijaly nandritra ny telo taona. Ny vavaka nitalahoany tamin'i Masindahy Joseph no nampandeha azy indray andro : dimy amby roapolo taona izy tamin'izay. Toa ireo rahavaviny ao amin'ny fikambanana dia misy mpamangy i Thérèse. Nisy lehilahy izay, tonga namangy azy tao matetika, ary nananany fahatokisina tokoa sy fitiavana ka nahazo fanamarihana izy mba tsy hifanerasera amin'io lehilahy io. Ny taona 1554, tao amin'ny oratoire izy no nahita ny sarin'i Jesoa, feno ratra sy torotoro, nandohalika izy ary nitalaho mba hankahery azy. Tamin'io taona io ihany koa no namakiany ny boky hoe "Confessions" nosoratan'i Masindahy Augustin, ary nahitany ireo toetra itovizan'izy ireo. Tamin'io fotoana io koa no nanindry mafy azy ny tahotra ny demony ka ireo pretra zezoita nonina tao Ávila no nanampy azy hiala tamin'izany.

Ny taona 1555 àry, rehefa avy nanao ny fampiasam-panahy mafy izy dia nahita fahitana samihafa ary anisan'izany i Jesoa. Herintaona tao aorian'izay no nihaonany tamin'i mompera Balthazar Alvarez, lasa ray mpitantana azy am-panahy moa io pretra io avy eo. Ny aprily 1560 dia nisy anjely niseho taminy ary nadefona ny fony tamin'ny lefona volamena. Ny volana aogositra 1560 no nihaona tamin'i Pierre d'Alcántara izy ka io no nanazava taminy ny fiainany. Tsapany fa ohatran'ny nivahavaha ny fanarahana ny fitsipika tao amin'ny fikambanana Carmélite ka ny taona 1562 i Thérèse no nanorina trano fitokana-monina nantsoina hoe Saint-Joseph d'Ávila. Io dia naoiriny araka ny fankatoavan'i Roma sy ny fanohanan'i Pierre d'Alcántara azy. Tao amin'io trano fitokana-monina io dia tsy maintsy manaraka ny fistipika fototry ny Karmely ny mpikambana. Tsy dia nankasitraka izany loatra ireo mponina sy ny manam-pahefana teo an-toerana, nefa tao aorian'ny fankatoavan'i Roma dia niely eran'ny tananan'i Espagne izany fanovana izany. Nanomboka ny taona 1565, dia niaina ny antsoina hoe "lévitation" i Thérèse, izany hoe, miainga tsy mikasika ny tany ny tongony fa toa mitsingevana. Nafarany ireo rahavaviny mba tsy hampiely izany zavatra hitan'izy ireo izany. Niara-niasa tamin'i Masindahy Jean de la Croix izy tamin'ny fanavaozana ny fiainan'ny Karmely. Nandeha matetika i Thérèse, ary izay no nahareraka azy. Ny volana septambra 1582 dia efa tsapany fa akaiky ny andro ahafatesany ka naniry izy ny hiverina tany Ávila, nefa niangaviana izy mba ho any Alba. Tsy nahatsiaro tena izy, nando ra, nijanona tao am-pandriana tao amin'ny trano Annonciation de Notre-Dame du Carmel ary nodimandry ny 04 ôktôbra. Marihana fa sivy volana tao aorian'ny nahafatesany dia mbola tsy nisy simba ny vatan'i Thérèse d'Ávila, dia naparitaka tamin'ireo trano sy ireo firenena nisy ny fikambanan'ny Karmely. Nanoratra boky maro ihany koa i Masimbavy Thérèse d'Ávila. Ny taona 1622 izy no nasandratra ho olomasina, ary tamin'ny taona 1970 no nambara fa vehivavy voalohany, mpampianatry ny Fiangonana i Masimbavy Thérèse d'​​Ávila.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...