Antso avokoa ny asa ataontsika eo amin'ny fiainana andavanandro fa misy ny antso iombonana ho an'ny olona rehetra dia ny fahamasinana. Manazava ny atao antson'Andriamanitra i P. Justolat Rafaralahimboa:

0 : 00

Na dia efa mahasahana lafin-javatra maro aza ity antso ity ankehitriny, toy ny antso ho amin’ny talenta iray (mozika, sarisikotra, asa tanana isan-karazany), na ny asa iray hananana fahaizana na fahalalana na fahaiza-manao manokana dia mbola mavesa-danja kokoa ao an-tsainn’ny olona tsirairay ny hoe ireo mizotra amin’ny lalan’ny fanokanan-tena ho relijiozy na maha mpandraharaha masina toy ny pretra sy ny eveka ihany no tena manana antso na antson’Andriamanitra. Ny atao rehetra anefa dia antso ho an’ny tsirairay avokoa rehefa atao amim-pitiavana sy amim-panetren-tena ary amim-pahamarinana ary hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.

Hatramin’ny taonjato faha XVII dia nentina nanavahana io teny hoe “vocation” io ireo rehetra nanana hetaheta manokana hizotra amin’ny fandraharahana masina ao amin’ny Fiangonana, izay noheverina fa mifanipaka tanteraka amin’ny raharahan’izao tontolo izao, izay nampitraotra an'ireo izay tsy mirona amin'izany. Nanamafy ny fironana tamin'ny “laïcité de l’état” io fomba fisainana io. Nantitraterina mazava tsara fa ireo manana hetaheta hizotra amin’ny lalan’ny antson’Andriamanitra dia tsy maintsy mino aloha ary manaporofo amin’ny fiainany anaty sy ivelany izany finoany izany : manana fiainana tony sy milamina ary afaka misedra tsara ireo izay heverina fa mety ho fakam-panahy manimba izany lalana izany.

Hisehoan’izay antso izay avokoa anefa ny fiainana rehetra araka ny efa voalazantsika tery aloha hoe : ny olona rehetra dia antsoin’Andriamanitra avokoa. Noho izay antso hananan’ny tsirairay avy izay dia miantso ny olona rehetra i Kristy hiombona iraka aminy amin’ny fampitomboana sy ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Mila tovolahy sy tovovavy hanokan-tena izy fa mila antsika rehetra ihany koa hiara-misalahy amin’izany. Noho izany antony izany indrindra no efa namaritantsika tany aloha tany fa ho fandavorariana izay fanitarana ny Fanjakany izay dia miantso antsika rehetra izy hanamasin-tena amin’ny alalan’ireto endri-piainana telo ireto: ny fandraharahana masina (Diakra, Pretra, Eveka), ny fanokanan-tena ho masina (Relijiozy, olon-tsotra manokan-tena) ary ny lahika. Efa hitantsika tany aloha tany moa ny mahakasika izany. 

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...