Alarobia 12 febroary 2020 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 14-23 — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin'ny vavanao.

0 : 00

Talohan’ny ampahan’ity Evanjely ity “niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany”. Fa amin’ity indray i Jesoa no miantso ny vahoaka hankeo Aminy. Hatramin’izao Izy no miantso antsika hankeo Aminy fa isika matetika no tsy mandeha mankany, fa any an-kafa, manentsin-tadîny, na mody mankany nefa mivily lalana avy eo! Ny feon-dakolosim-piangonana dia feon’Andriamanitra miantso antsika ho any Aminy, hanatona Azy any am-piangonana.

Rehefa tonga eo aminy dia ny hihaino Azy aloha. Matetika isika no tsy mahay mihaino fa malaky miteny nefa ny nanaovan’Andriamanitra antsika dia vava iray sy sofina roa. Fa mifamadika amin’izany anefa ny ataontsika: tsy basy vava fotsiny fa misy aza efa tafondro vava mihitsy, midaondaom-bava… Tsy mahay mihaino fa na mody mihaino aza, matetika any amin-javatra hafa no mahamaika, na ampidirina amin’ny sofina iray ka avoaka amin’ny ilany hafa. Na amin’ny fotoana tokony hihainoana aza, mbola tampenana indray, tsy hihainoana ny hafa fa hihainoana hirahira na zavatra hafa mihitsy. Tsy mahay mifampihaino intsony ankehitriny hany ka tonga ho azy ny ady sy ny fifandirana.

Manaraka izany, “tsy ny hanina izay miditra amin’ny olona no mahaloto azy fa izay mivoaka avy aminy” hoy i Jesoa. Mazava tsara eto ny lazainy sady tohiziny hoe: “Izany no mahadio ny hanina rehetra”. Koa raha mbola mifady izatsy sy zaroa isika dia mbola very any amin’ny Testamenta Taloha, very taonjato maro ka tokony handini-tena, afa-tsy noho ny fahasalamana, iny indray dia zavatra hafa mihitsy! Efa nolavorarian’i Jesoa ny zavatra rehetra satria efa tonga Izy! Efa aty aoriany isika izao fa tsy talohany intsony. Fa “izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy Izy, no mahaloto ny olona; satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy: dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana”. Ka aoka isika tsy ho voafitaka fa hamantatra tsara. Diniho tsara ireo ka fantaro hoe: inona amin’ireo no mahavoa na mahalavo antsika matetika ka ezahina ny miala aminy. Fa mety misy koa aza tsy voatonona eo kanefa ratsy. Miezaka miady amin’ny kilema ratsy mpahazo antsika isika. Izany no fibebahana! Alao hery àry fa taon-jezika an-kady izany. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...