Sabotsy 15 febroary 2020 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.

0 : 00

Onena ny vahoakany mandrakariva i Jesoa. Tsy tantiny mihitsy isika vahoaka tsy manana hanin-ko hanina ka miantso ny mpiandraikitra hamoky ny vahoaka Izy. Na dia vitany irery aza ny mamoky ireo olona ireo dia tiany handray anjara amin’izany ireo mpianany. Tsy mety ny miolonolona fa ilaina ny miara-misalahy amin’izay atao rehetra sy mifampizara andraikitra. Fa ankoatr’izany adidin’ny mpiandry ny mamahana ny ondriny, tsy mamela azy amin’izao fotsiny fa tsy maintsy mitady hevitra ny amin’izany. Tsy mitaky zavatra betsaka amintsika Izy fa izay ananana no tiany atolotra Azy fa hainy ny mampitombo izany. Ny fandraisana anjarantsika no tena zava-dehibe. Tsy mety raha mihalangalana isika nefa tompon’andraikitra. Hatramin’izao i Jesoa no miteny amintsika hoe: “Mampalahelo Ahy ity vahoaka ity.” Izany ny fon’Andriamanitra mangoraka, indrindra ireo tsy misaraka Aminy, eny fa na hatramin’ireo lavitra Azy aza. Samy tsy tiany ho reraka. Mahaiza manana izany fo mangoraka izany isika, indrindra isika tompon’andraikitra. Fanampin’izany, mpivahiny isika ety an-tany ka tsy tiany ho reraka mandram-pahatongantsika any an-tseranana, any amin’ny mandrakizay izany. Ka aoka isika hiantehitra aminy tanteraka.

Aza miala ilany isika mpitondra na miala bala ka hanao toy ny nataon’ireto mpianatra ireto hoe: "Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atỳ an’efitra?" fa mila mikarokaroka sy mampiasa saina. Ny tsara atao dia hoe: “inona no hevitra hamokisana ireto vahoka ireto” sy hoe: “inona no anjara birikiko hamokisana ireto vahoaka ireto?” Tsy ianao irery no eo fa betsaka ka aza manao salobon-komana, tsy amin’ny sakafo ihany fa amin’ny atao rehetra. Matetika mantsy ny fiainantsika ety an-tany koa toa efitra noho ny fahotana, ka tsy vita mora izany. Ny tranom-pody no vitan’ny vava fa ny mamoky vahoaka, indrindra an-tany efitra mila firaisan-kina sy fandraisana anjaran’ny rehetra.

Mipetraka amintsika matetika ny fanontanian’i Jesoa hoe: "Manana mofo firy hianareo?" Atolory azy izay ananana fa aza anafenana. Aza kahihitra manome ho an’Andriamanitra e! Rehefa manome Andriamanitra dia manomeza be.

Etsy andanin’izany tsy maintsy manaraka ny rafitra apetraka ny vahoaka raha te hahazo anjara. Eto izao dia mipetraka amin’ny tany. Tsy manao ny lohany fotsiny fa manaraka ny fandaminana. Ny fiaraha-monina tsy maintsy misy lamina arahina raha tsy izany fanjakan’i Baroa; mainka moa aty amin’ny Eglizy. Koa alao hery hatrany àry amin’ny fandraisana anjara sy ny fanomezana, indrindra ho Azy Tompo fa hainy ny mampitombo izany. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...