Alahady 22 marsa 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 9, 1-41 — Izaho no Fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan'ny fiainana.

0 : 00

Ry kristianina havana, entanin'ny Fiangonana isika amin'ity alahady fahefatra amin'ny Karemy ity hoe : "Ny finoana an'i Kristy no fahazavana vaovao". Hisarihana ny saintsika sy ny fandinihantsika voalohany dia i Jesoa eo anatrehan'ilay marary, manao ny dingana voalohany. Mbola tsy nangataka na inona na inona ilay jamba, na dia naniry fatratra ny hahiratra aza, fa i Jesoa no manao ny dingana voalohany, manatona azy. Mampahatsiahy ny fahariana ny fihetsik'i Jesoa : Andriamanitra namolavola fotaka sy nanisy fofon'aina, i Jesoa manao feta amin'ny rorany sy manosotra izany amin'ny mason'ilay jamba, ary ity farany kosa nandeha nanasa ny masony ka nahiratra. "Andriamanitra mamonjy" no dikan'ny anarana hoe Jesoa, izany hoe averiny amin'ny laoniny ny fahamendrehana rehefa simba sy nitakizina tao anatin'ny hajambana. Karemy ny andro, andro fanasitranana, andro famonjena, fanekena an'i Jesoa ho Mpamonjy sy fihaonana aminy : miala amin'ny haizina ary manatona azy Fahazavana.

Mampisara-kevitra ny amin'i Jesoa sy izay nataony. Ny manam-pahefana moa tsy nino sady nanameloka azy. Ny ray sy renin'ilay nositranina, natahotra ka niala tsy sahy nijoro. Ny hafa na nahita aza, tsy te hijoro ho vavolombelona, tsy te handroso amin'ny finoana. Ny fahotana lehibe indrindra ao amin'ny fampianaran'i Masindahy Joany, dia ny tsy finoana satria maro sady mazava ireo famantarana nataon'i Jesoa : loza izany hoe manapi-maso, manentsi-tadiny, minia mikipy, miziriziry amin'ny heviny. Karemy ny andro, andro fiovana, andro fanokafana ny maso sy ny fo, hijery sy hidiran'Andriamanitra.

Manam-petra ihany ny fitsaran'olombelona sy ny fijerin'ny fiaraha-monina izay manameloka ny hajambana ho sazin'ny fahotana vita. Izay minia mikipy sy miziriziry no tena diso, indrindra eo anatrehan'ny fahamarinan'Andriamanitra. Izay mino, dia voavonjy fa izay tsy mino dia efa meloka noho ny safidim-pony. Rehefa nandroso tsikelikely amin'ny finoana ilay jamba sitrana, dia nanatona azy i Jesoa. Ny vokatry ny fihaonana amin'i Jesoa dia finoana, fianam-baovao, fahazavana.

Ianao no fahazavana ry Jesoa Kristy zokinay, Ianao no arahinay eo amin'ny fiainanay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...