Alahady 02 aogositra 2020 — Alahady faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 13-21 — Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika ; ary amin'ny alalany dia tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

0 : 00

Ry Kristianina havana, rentsika tamin’ny Vaovao Mahafaly teo fa rehefa maty i Joany Batista dia lasa i Jesoa nandeha tany an’efitra nitokana. Inona moa ny nataony tany ? Tsy inona akory fa nivavaka. Ny antony dia satria fantany fa hanomboka eo dia Izy no handimby Azy, Izy no handray ny andraikitra amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ka mila entina am-bavaka izany. Efa mampianatra antsika sahady izay fa tena zava-dehibe tokoa sady fanehoana ny maha-kristianina ny mivavaka mialohan’ny hiatrehana asa na andraikitra iray izay horaisina.

Fa inona anefa ny zava-misy eto ?

Rehefa henon’ny olona fa lasa tany an’efitra i Jesoa, dia maro ny olona no nandeha an-tongotra nitady Azy. Tena fanehoam-pinoana io ary maneho hafanam-po hitady Azy, satria ny lalana lavitra, ary mandany fotoana vao tonga any. Raha amin’izao androntsika izao dia io fihetsika ataon’ny olona io no mitovy amin’ny hoe handeha hamonjy fiakaram-be eny amin’ny Distrika na Diosezy. Fa manao ahoana moa ny fahazotoantsika amin’izany ? Eo ny fialan-tsiny amin’ny lalana lavitra na tokony ho afaka aza, eo ihany koa ny hakamoana. Izao anefa, tsy tokony hohadinointsika fa ny fanarahana an’i Jesoa dia tsy lalan’ny hakamoana, tsy aferan’ny tsy te hisahirana ary lavitry ny tany malemy hanorenam-pangady.

Izay iny, fa nanao ahoana kosa ny fahitan’i Jesoa an’ireto olona nanaraka Azy ?

Dia rentsika teo fa nangoraka Izy, voadona ny fony. Misy lesona tiana hampitaina ao anatin’izay, dia hoe : tena mandona ny fon’Andriamanitra ny mahita anao io mandeha an-tongotra mamonjy fiakarambe, mifoha maraina be fa handeha hivavaka ny Alahady, ny mahita anao tonga any am-piangonana manomana Litorjia, ny mahita anao mamafa fiangonana, mamonjy fivorian’ny filankevitra... Mandona ny fon’Andriamanitra ireny.

Fa, tandremana kosa amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa ny mitady vahaolana ankamorana. Jereo anie ny tenin’ireto mpianatra e : “Ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra eny”. Vahaolana ankamorana izany, vahaolan’ny kamo sy tsy te hisahirana izany. Ohatra azo raisina amin’izany izao ny hoe : te handray Sakramenta nefa kamo miofana, kamo mivavaka, kamo mandray andraikitra... Ka, ny atao dia tsy maintsy miatrika : “Omeo hanina ny olona”.

Ry kristianina Havana, tsy avy hatrany eto dia nampitombo ny mofo i Jesoa ary tsy hoe niainga tamin’ny tsy nisy, fa niainga tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa avy amin’ny vahoaka Izy. Raha nofihinin’ireto olona tao aminy ireto mofo dimy sy hazandrano roa ireto, dia tsy voky ny vahoaka. Noho izany, matoa misy noana eo amin’ny fiaraha-monina, matoa misy ireo marefo dia misy mamihina ho azy samirery izay ny mofo dimy sy hazandrano roa. Fa, mifanohitra amin’izay, matoa afaka manao asa fanitarana sekoly, asa fanatsarana fiangonana, asa sosialy dia satria tsy fihinin’izy fianakaviana samirery izany ny mofo dimy sy hazandrano roa. Ary farany, efa fanaontsika, fa ampahatsiahivin’i Jesoa eto ny hoe : ny sakafo dia fanomezan’Andriamanitra. Averiko indray mandeha : fanomezan’Andriamanitra fa tsy herim-pontsika samirery io. Noho izany, dia tsy maintsy angatahina ny tsodranon’Andriamanitra ary isaorana Azy ary tsy azo atao ny manao fandaniam-poana na ny manarinary foana hanina. Izany no mahatonga ny Soratra Masina milaza hoe angonina ny sombiny tsy lany. Dia io àry ilay endriky ny Eokaristia Masina hanasana anao handray Azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...