Alakamisy 24 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 7-9 — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.

0 : 00

Eto amin’ity Evanjely ity no ahafahana milaza fa “ny marina tsy maty”. Na efa maty aza i Joany Baptista izay nasain’i Herôda notapahina ny lohany dia nampifoha ny feon’ny fieritreretany ka nahatonga ity farany nanao hoe : “Iza indray àry izao olona henoko manao zava-dehibe izao”. I Joany Batista izay lazaina fa nanelingelina ny hafinaretina eto an-tany. Azo antoka aloha ny mbola tsy finoany ny fitsanganan’ny maty ka hilaza hoe efa nitsangan-ko velona i Joany. Manenjika tokoa ny feon’ny fieritreretana ka na amin’ny alina aza tsy mahita tory fa lasa ny eritreritra. I Joany moa no antsoina hoe mpialoha lalana an’i Jesoa ; olona marina izy hany ka i Jesoa no toa manohy sy manatanteraka ny fahamarinana nijoroany, satria i Jesoa ihany no nijoroany ho vavolombelona dia Ilay Jesoa Fahamarinana sy Fiainana.

Nalaza tampoka teo i Jesoa satria nanao zava-mahagaga maro, re laza hatraiza hatraiza. Taratry ny olona rehetra manao ny tsy mety i Herôda, nihevitra fa ny fahafatesana no hampangina ny marina tsy hiteny intsony. Indro anefa i Jesoa Ilay Fahamarinana lavorary manaitra ny feon’ny fieritreretan’i Herôda. Vokany, naniry ny hahita an’i Jesoa izy. Te hahita an’i Jesoa izy satria toa mpifaninana aminy, ka misarika ny sain’ny olona hirona tsy hanome voninahitra azy. Fony i Jesoa nohelohina dia nahita tokoa izy saingy fihaonana nankany amin’ny fanesoana ka tsy nitondra fibebahana tao aminy. Tsy ilay faniriana hahita hitondra any amin’ny fibebahana sy ny famonjena.

Ho antsika kosa ny faniriana hahita an’i Jesoa dia hahitantsika ny hasambarana, mitondra antsika hiombonana fiainana Aminy. Ny fihaonana Aminy no mitondra antsika amin’ny fiainam-baovao. Mahita an’i Jesoa isika rehefa miombom-bavaka, mahita an’i Jesoa isika amin’ireo fankalazana isan-karazany toa ny Sakaramenta indrindra ny Eokaristia, mahita an’i Jesoa isika amin’ireo mahantra, ireo henjehina noho ny fahamarinana ijoroany, ireo azon’ny tsindry hazolena. Raha lazaina amin’ny fomba hafa, raha manao soa ho an’ireny antsoina ho madinika ireny isika dia Izy Jesoa ihany no hanaovantsika izany. Koa ho antsika mpanara-dia an’i Jesoa, ireo asa fitiavana an’Andriamanitra sy fitiava-namana ireo no mampitony ny feon’ny fieritreretantsika, mitondra hafaliana sy fiadanam-po ao anatintsika ao. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...