Sabotsy 26 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masinahy Lioka 9, 44b-45 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

0 : 00

Faly, gaga, sondriana ny olona mahita ireo asa maro nataon’i Jesoa. Toa efa hita amin’ireo asa ombam-pahagagana ataony ireo ny fifehezany an’izao tontolo izao mba hanome famojena an’ireo olona nanaovany izany ; nanasitrana ny marary Izy, nandio ny boka, nanome sakafo ny noana. Mifantoka any Aminy avokoa ny mason’ny tontolo. Fa i Jesoa kosa nisarika ny sain’ny mpianany tsy hifantoka amin’ireny zava-mahasondriana ireny, ka nilaza tamin’izy ireo hoe : “Tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan’ny olona ny Zanak’olona”. Izany hoe tsy maintsy handalo amin’ny fijaliana sy ny fahafatesana vao hitsangan-ko velona be voninahitra.

Ity toetra feno voninahitra ity no tokony hobanjinin’ny olona saingy tsy mbola ho tonga amin’izany rehetra izany raha tsy miakatra makany Jerosalema ka ho samborina sy hohelohina, atolotra eo an-tanan’ny olona hoviraviraina, ho kapohina, ho satrohina fehiloha tsilo, hoesoina ary hororana mihitsy aza. Olona no hitsara Azy ary ho araka ny fitsaran’olombelona no ho didim-pitsarana hihatra Aminy ka hanameloka Azy ho fantsihana amin’ny Hazofijaliana. Kanefa io olona namantsika Azy io no nangatahany famelan-keloka amin’Andriamanitra Rainy.

Tsy mbola takatry ny sain’ireto mpianany moa ny hevitra fonosin’ izay nambarany ny momba io lalana tsy maintsy hizorany io, hany ka tsy tian’izy ireo handalo io fijaliana sy fahafatesana io ity mpampinatra azy. Ny ao antsain’ireo dia ny hoe Mesia mahery hanavotra an’Israely i Jesoa. Ny tena fitiavana anefa dia ny mahafoy ny aina ho an’izay tiana, ary i Jesoa no lohalaharana ny amin’izany fitiavana ka hahafoizana hatramin’ny aina izany. Fitiavana antsika àry no nisafidianany ny lalan’ny fijaliana sy ny fahafatesana. Adiditsika no miezaka manome hasina io fiainana maha kristiana antsika io satria novidian’i Jesoa lafo tokoa izany, dia ny nahafoizany ny ainy. Tsy atolotsika amin’ny ratsy ny tenantsika, tsy atolotra ho andevozon’ny fahotana fa atolotra an’Andriamanitra toy nanoloran’i Jesoa ny tenany teo amin’ny Hazofijaliana ho famonjena antsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...