Talata 20 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 35-38 — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

0 : 00

Ny voaetra andilana dia maneho fahavononana, olona vonona hiasa, hiatrika zavatra. Mamatotra tena rehefa mietra ka midika fifehezan-tena izany ; azo lazaina hoe misy zavatra tsy maintsy fehezina aloha, ka ajanona sy afoy na dia efa mahazatra aza. Aza miandry olona hamatotra ny tena na koa hifehy ny tena fa dieny mbola mahavita dia ataovy foana, raha tsy hoe efa antitra na marary angamba. Tsy ny tsara mandrakariva mantsy no kendren’ny olona amin’ny tena fa misy mpanipy hoditr’akondro fotsiny. Soa ihany fa tsy ny rehetra no toy izany fa misy ny tena manampy marina tokoa ka mifampitantana mankany an-danitra.

Ambonin’izany, mampiditra hazavana ny mandrehitra jiro ka mandroaka ny haizina. Nampiasa jiro isika tamintsika natao batemy, narehitra teo amin’ny jiron’ny paka ka maneho antsika vita batemy hijoro ho fahazavana toa an’i Kristy, Fahazavana : izay mitakiky amin’ny haizina tsy ampy fahazavana ka mila mandray izany. Amin’ny ankapobeny ny haizina no itoeran’ny ratsy ka tsy maintsy esorina sy roahina amin’ny hazavana. Ny jironao arehitra ka aza avela ho faty. Aza maika hitsoka ny jiron’ny hafa fa ny an’ny tena aza manahirana ny mitandrina azy tsy ho faty satria betsaka ny rivotra mitady hamono azy, indrindra amin’izao firimorimon’ny fandrosoana izao, eo koa ny fitaky ny harena sy ny hasambarana mandalo ary ny hafinaretana manodoka, fa eo koa ireo karazam-pivavahana maniry toy ny anana ankehitriny, toa miseho ho papango anaty katsaka ka izay miseho toa babany avokoa ; indrisy anefa fa manodoka fotsiny ihany. Eny e, ny jiro ety ivelany famantarana ny ao anaty fa ny jiron’ny fanahintsika ao anaty no tena tian-kambara, aza avela ho faty mihitsy.

Fa ankoatra izany, mbola ampian’i Jesoa hoe manaova toy ny mpanompo “miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy amin’ny fampakaram-bady” ka miambina mandrakariva. Izay toetra miambina izay no tian’i Jesoa mba hananantsika ihany koa. Amin’ny maha vita batemy antsika dia mpiambina avokoa isika rehetra ka tandremo sao mpiambina matory sy miesona na variana amin’ny zavatra hafa ka tsy mahavita tsara ny asa iandraiketantsika, na mpiambina manao izay danin’ny kibony satria tsy eo ny tompony ; fa aoka ho mpiambina tsara ka atrehi-mahefa, iambohàna mahavita. Fa araka ny lazain’i Jesoa eto ihany : sambatra ny mpanompo tratran’ny tompony miambina ka Izy tompony indray no hampipetraka azy hihinana ary ho avy hampihinana azy. Aiza indray no misy toa an’izany ! Izay mahay miambina ihany anefa no ho sambatra, araka izany ! Koa alao hery e !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...