Sabotsy 24 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9 — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay ; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

0 : 00

“Nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa” Toa midika izany hoe : mitati-bolana na mitoroka. Misy amintsika faingana ery mitati-bolana rehefa misy zavatra iray ataon’ny hafa, indrindra moa olona tsy mitovy firehana na fisainana na ireny tsy mifankahazo amintsika ireny amin’ny mpiara-miasa na mpiray fikambanana. Loza anefa no aterak’izany matetika, indrindra moa raha mihinana am-bolony ilay itaterana. Matetika te hahazo ranondranony na sitraka amin’ny lehibeny ny mpitati-bolana, ka ny tombontsoa ho an’ny tenany no mahamaika azy fa tsy ny an’ny hafa. Tsy mety anefa izany, fa mety mahasingon-tena izy amin’izany. Tsy midika akory izany fa tsy azo atao ny mitatitra amin’ny lehibe. Ny marina tsy maintsy ambara ka aoka tsy ho tati-bolana no anaovana izany fa amin-kitsi-po tokoa, ka tsy noho ny tombontsoan’ny tena ihany fa ny an’ny hafa ihany koa. Aoka isika tsy ho maimay hitati-bolana foana fa hafana fo kosa hifanitsy sy hifananatra ka ifanohintohina sy ifanohatohana.

Fa etsy andanin’izany, tsy vokatry ny ota avokoa akory ny loza mihatra amin’ny farany ; fa mety hisy fifandraisany na tsia ireny, ka aza malaky mitsara avy hatrany fa mbola fahavoazana hafa koa izany. Eto amin’ity sombina Evanjely ity izao, ahitsin’i Jesoa ny fomba fisainana toa izany ka taominy tsikelikely amin’ny fibebahana ny rehetra. Raha tsy mibebaka isika dia ho very avokoa. Ny fibebahana mantsy tsy miandry fotoanany fa ezaka isan’andro, toy ny taon-jezika an-kady ka aina no fetra, ka aza kivy fa iaino dieny izao. Avela avokoa izay fanao tsy mety sy mahazatra, miova lalana ka mampifanaraka izany amin’ny sitrapon’Andriamanitra mandrakariva. Matoa omena fotoana isika dia mba hahafahantsika mibebaka marina tokoa. Miala nenina amintsika Izy Tompo mba tsy hahatonga antsika ho very satria tsy sitrany izany. Ny famonjena no tiany ho azontsika rehetra. Fa raha isaky ny manota isika tonga dia faizin’Andriamanitra, ho asa angamba izay efa niafarantsika. Maharitra Andriamanitra mba hibebahantsika fa isika no malaina ny amin’izany. Meteza isika ho karakaraina mba hampavokatra antsika sy hahatonga antsika hamoa indray. Tsy ny hikapa antsika no mahamaika Azy fa ny hamonjy antsika. Koa alao hery àry fa sao diso anjara isika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...