Alahady 22 nôvambra 2020 — Fankalazana an'i Kristy Mpanjaka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46 — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

0 : 00

Mifarana eto àry ny antsoina hoe “taona litorjikan’ny Fiangonana”. Ny tenin’Andriamanitra dia mirona amin’izany fiafarana izany. Toa mapiseho sahady ny fiafaran’ny fiainantsika izay mizara roa, na ho any amin’ny hasambarana mandrakizay na makany amin’ny fijaliana mandrakizay. Zava-dehibe tokoa eo amin’ny fiainantsika ny hoe tsara fiafara ka afaka manjaka amin’ny fiainantsika i Jesoa antoky ny hasamabarana mandrakizay. Omen’ny Fiangonana toerana lehibe amin’izao alahady izao ny maha Mpanjaka an’i Jesoa Kristy ; ka isehoany ho Mpitsara marina, hanavaka ny ondry amin’ny osy, izany hoe hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Tsy ilay mpanjaka mipetraka an’ny amin’ny lapa, tompoina, mitafy tsara, mihinana hanim-pito loha fa Ilay Mpanjaka mahantra : noana, mangetaheta, vahiny any an-tanin’olona, tsy manan-ko tafiana sy gadraina any an-trano maizina. Hita taratra ao amin’ireo mahantra sy madinika izany toetra izany.

Koa mierim-pitia amintsika Izy. Izay nataontsika tamin’ireny madinika sy mahantra ireny no hitsarany antsika. Izy no nanaovantsika an’ireny dia ny manome hanina ny noana, manome rano hosotroina ho an’ireo mangetaheta, manome fitafiana ho an’ireo tsy mitafy mamangy ny marary sy ireo any an-trano maizina. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny Fitiavana no hitsarana antsika. Ny fitiavantsiaka an’Andriamanitra sy ny fitiavantsika ny namantsika. Tsy azo sarahina ireo endrika roa isehoan’ny fitiavana ireo. Ny tena mpanjaka, araka ny fampianaran’i Jesoa, dia tsy natao ho tompoina fa natao hanompo. Ary i Jesoa mihitsy no ohatra voalohany amin’izany. Ny maha mpanjaka ny mpanjaka dia ny fananany tany sy vahoaka hanjakana ; tsy vahoaka hanjakazakana anefa fa natao ho tiavina sy ho tompoina. I Jesoa àry, nahafoy ny ainy ho fanavotana ny vahoakany teo ambony Hazofijaliana, ary voasoratra teo ambonin’io Hazofijaliana manao hoe : “Ity no Jesoa Mpanjakan’ny Jody”. Mpanjaka mitondra antsika any amin’ny tena fiainana sy ny hasambarana mandrakizay. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...