Nila hevitra tamin'i Haja i Ranja fa tafahoatra tanteraka ny valifatin'i Tiana ataony aminy. I Rivo sy Mialy efa tsy tia intsony ny hijanonan'i Tiana ao an-tokantranon'izy ireo, saingy tsy maintsy manao izay hitazonana azy i Ranja ho vidin'ny fanginany. Fantatr'i Ranja fa i Haja no nampamono an'i Rivo, ary nampitandrina azy izy fa tsy ataony vitavita mora foana raha maninomaninona ny vadiny. Nampitandrina an'i Ranja i Rivo fa tsy maintsy roahana i Tiana noho ny gafy sy ny zavatra tsy mety rehetra ataony ao an-trano. Notambazan'i Ranja volabe i Tiana mba handeha saingy tsy nanaiky izy. Manaiky izy raha vitan'i Ranja ny mandresy lahatra an'i Haja ho tia azy. Sahiran-tsaina fatratra noho izany i Ranja.

Manam-pikasana hampamono an'i Rivo i Haja na dia rahalahy iray tampo aminy aza, noho ny fitiavany an'i Ranja. Tsy mandeha amin'izay tokony ho izy hatrany ny asan'i Tiana noho ny fiasan-tsainy amin'ity fitiavany an'i Haja, sy ny zava-misy ao an-tokantranon'ireo mpampiasa azy. Nasain'i Rivo noroahana noho izany izy. Tsy sahy nandroaka azy nefa i Ranja noho ny valifatin'i Tiana : dia ny hamborahany ny marina rehetra fantany raha vao mikasa handroaka azy hiala tao. Marary mafy eny amin'ny hopitaly i Rivo noho ny vono niniana natao taminy. Velona soa aman-tsara izy, na dia ny hahafaty azy aza no nasain'i Haja nataon'ireo olona nokaramainy.

Noroahan’ny ray sy reniny niala tao an-tokantranon’izy ireo i Anja fa manala baraka azy ireo hono, mpamosavy, sady lazainy fa tovovavy jila sy mpanendrom-bohitra. Nidodododo tany amin’ikaky Rakonka sy i Leva izy. Noraisin’izy mianaka an-tanan-droa, kanefa tsy nionona tamin’izany izy ireo fa tapa-kevitra ny hanatona ny ray aman-drenin’i Anja ikaky Rakonka, momba ity zava-mitranga ity.

Tonga matetika toy ny fanaony ao an-tokantranon'i Rivo sy Ranja i Haja, indrindra fa hatramin'ny nahatsapany fa mbola tia ny vadiny i Ranja. Etsy an-daniny, manam-pitiavana an'i Haja i Tiana mpanampy an-dry Ranja, ary tsikaritr'i Haja izany. Nangataka tamin'i Ranja i Haja fa hanatanteraka izay sitrapony na inona na inona raha manaiky hisaraka amin'ny vadiny. Tsia no navalin-dRanja azy satria mbola tiany ny vadiny ary tsy hisaraka aminy na oviana na oviana izy, raha tsy hoe i Rivo angaha no tsy hanaiky intsony.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...