Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindra-fo ny aiko, Hazavao aho anio, ambeno ary tahio ary zakao, Amen ; Ry Reny masin’Andriamanitra, arovy izahay miankina aminao: ianareo Anjely mpiambina anay sy ianareo Olomasina rehetra any an – danitra, manampia anay , ary mangataha amin’Andriamanitra ho anay, mba hampiadaniny ety ambonin’ny tany izahay sy harovany tsy ho latsaka amin’ny fahotana, ary dia ho tonga any an – danitra. Ry Misely Arkanjely masina, ampio izahay amin’ny ady manjo anay, arovy izahay amin’ny hasomparana sy ny fandriky ny demony. Mifona izahay, aoka hosakanan’Andriamanitra izy. Ary ianao, ry Filohan’ny tafiky ny lanitra, noho ny herin’Andriamanitra, dia tohero i satana sy ny fanahy mpanimba rehetra, izay mihahaka rean’izao tontolo izao mba hahavery ny olona, ka avarino any amin’ny afobe. Amen... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny fitiavan-tanindrazana sy ny finoana dia mira zotra ho fampandrosoana ny firenena, indrindra ho fandravana ny lainga, sy ny tsy fahamarinana, kolikoly. 14 oktobra 1958 no nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy fa afaka i Madagasikara, saingy hatramin'izao anefa dia mbola eo ambany ziogan'ireo firenena matanjaka vahiny ny Malagasy. 14 oktobra 2025 no nijoro ireo Miaramila hanavotra ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ry Malagasy rehetra mpiray firenena, ianareo mpiavy efa iray firenena amin'ny Malagasy sy iray ra, iray fizakan-jo amin'ny Malagasy. Manao antso-avo amin'ny tsirairay mba hisoroka olana maro lafy izay efa niteraka ankivy lalina teto Madagasikara. Aoka samy ho tony, samia manatontosa ny andraikiny sy ny adidy tandrify azy ny tsirairay, anatin'ny fanajana ny fahamarinana sy fahadiovam-po. Ataovy zava-dehibe ny fifanajàna, fifampihainoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Manana andraikitra haneho fifampitsimbinana ny Malagasy rehetra. Ny fitoniana dia singa iray afahana mikaroka vahaolana amin-javatra maro, atao toetra fototra ny fahitsina, ialàna ny famitahana. Ny tompon'andraikitra ara-panjakàna, olom-boafidy, ireo mpandraharaha, olom-boatendry dia mila manao ho zava-dehibe ny soa iombonana fa tsy hanao asa mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondran-tena. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco