Ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan'izao tontolo izao ; sahia miroso amin'ny lalina, mijoroa ka mamiràta, mamahara mba hanasoa olona ary mikatroha mba hifanohana sy hifampitantana ho amin'ny tsara kokoa hatrany. Ny tany manana ny satany, ny vohitra manana ny hasiny, ary ny olombelona manana ny mampiavaka azy, tohy aina no iraka ho antsika fa tsy fanangonana harena, mahatsara antsika ny miaina amim-pahitsiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Amin'izao taona arivo fahatelo izao dia ilaina ny fampanjakàna ny fiadanana amin'ny fiainana ny fahaiza-mamela, fahaizana mifampihaino ary ny fahaiza-mivavaka sy mifampivavaka. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ny tsirairay ka tsy tokony hatao ny fifampitsikerana sy ny fifanakianana fa natao aza ireny mba hifamenoana ; ny lavorary dia tsy misy fa ny miezaka ho lavorary no azo atao... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Anatin'ny asivinandro mialohan'ny Noely isika ; zava-dehibe ny fihavanana eo amin'ny fiaraha-monina ary ao amin'ny Tompo. Fotoana izao hihavanana amin'ny rehetra, amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny Fihavanana ary ny fihavanana amin'isika samy isika olombelona. Isika rehetra dia efa natao hiombona ary miombina ao amin'i Jesoa Kristy. Isika dia manana adidy hiaro ny tanindrazana, ny havana sy ny mpiray monina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Lehibe ny fahaiza-miaina maneho fifankatiavana, fiombonana. Zava-dehibe ny fahatsapana fa Masina Andriamanitra, mendrika fanajàna ireo havana efa nodi-mandry dia ireo razana nandraisantsika sy nandovantsika ny fahendrena sy ny fiombonana ary indrindra ny fifankatiavana. Tokony kolina sy harovana ny firenena ka mila fahatongavantsaina izany ho an'ny mpino tsirairay sy ny mpiray tanindrazana ary hitandrina sy hanao ny rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco