Lehibe ny fahaiza-miaina maneho fifankatiavana, fiombonana. Zava-dehibe ny fahatsapana fa Masina Andriamanitra, mendrika fanajàna ireo havana efa nodi-mandry dia ireo razana nandraisantsika sy nandovantsika ny fahendrena sy ny fiombonana ary indrindra ny fifankatiavana. Tokony kolina sy harovana ny firenena ka mila fahatongavantsaina izany ho an'ny mpino tsirairay sy ny mpiray tanindrazana ary hitandrina sy hanao ny rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Isan'ny didy mahavery ny olona any amin'ny afobe fandikàna ny didy faha-7 "Aza mangalatra, aza maniry fananan'olona" izany hoe ny maka na ny mitana na ny manimba tsy ara-drariny ny zavatr'olona. Antony izany dia noho ny tsy fahavitan'ny fanonerana ny fahotana. Fahotana mahafaty ny mangalatra sy ny manao izany an-tsitrapo. Tsara kokoa ny miala amin'ny fikasana hangalatra satria ny fanirina ihany koa dia efa heloka... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny didin'Andriamanitra voalaza amin'ny didy faha-valo dia ny lainga araka izay voalaza hoe " Aza miampanga lainga, aza mandainga", izany hoe ny fandraràna ny miampanga lainga, ny mifosa, ny manendrikendrika, mitory olona tsy amin'ny rariny, mijoro ho vavolombelona tsy marina. Isan'ireo didy maro mpanitsakitsaka izy ity ; ny lainga dia heverin'ny maro ho maivana miohatra amin'ny halatra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Manana adidy lehibe izay olona sy mpikambana voatendrin'ny Fiangonana hiandraikitra ny "Justice et Paix" mba hiaro tanteraka ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriam-pahalemana. Ny zo aman'adidy dia izay voafaritry ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezana, mifamatotra ireo ; Ny rariny sy ny hitsiny dia tsy hoe izay voafaritry ny lalàna no hampiarina fahatany fa fanapahan-kevitra voalanjalanja... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...