Ny amin’ireo Konsily Ekomenika sy tena nanan-danja teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana. Taorian’ny Fihaonamben’ny Mpino Kristianina voalohany, niaraka tamin’ny Apostoly, izay natao tao Jerosalema ny taona 50 (na 49) izay notarihin’i Piera, dia miisa 21 ireo Konsily Ekomenika izay samy nanamafy ny finoan’ny Mpino araka ny fampianaran’ny Apostoly, niatrika ireo fanavaozana lehibe, teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana Katolika. Niaro ny zon’ny olona, nitandro ny fandriampahalemana. Ireto avy izany sy ny Papa nitarika azy: 1) Nicée I (325) Silvestra I. 2) Konstantinopla I (381) Damase. 3) Efezy (431) Célestin I. 4) Kalsedoanina (451) Léon le Grand. 5) Konstantinopla II (553) Vigile. 6) Konstantinopla III (680-681) Agatone. 7)

Nisea II (787) Adrien I. 8) Konstantinopla IV (869-870) Adrien II. 9) Lateranezy I – Roma (1123) Kalista II. 10) Lateranezy II – Roma (1139) Innocent II. 11) Latzranezy III – Roma (1179) Alexandre III. 12) Lateranezy IV – Roma (1215) Innocent III. 13) Lyon I (1245) Innocent IV. 14) Lyon II (1274) Gregoara X. 15) Vienne – France (1311-1312) Clément V. 16) Constance (1414-1418) l’Antipape Jean XXIII, Martin V. 17) Bazilea-Ferrara – Florence (1431.1438-1445) Martin V, Eugène IV. 18) Lateranezy V – Roma (1512-1517) Jules II, Léon X. 19) Trente/Trento (22/05/1542. 1545-1563) Paul III, Jules III, Pio IV. 20) Vatikanina I – Roma (1869-1870) Pio IX. 21) Vatikanina II (25/01/1959. 11/10/1962 – 08/12/1965) Jean XXIII, Paul VI. Saika hatrany hatrany no nohamafisin’ireo Konsily samihafa ny maha zava-dehibe ny fanajàna ny zava-masina sy ny fifanajàn’ny mpiara-belona, indrindra ny fitandroana ny Aina sy ny fitsipi-pitondran-tena, araka ny finoana nifandovàna.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...