19 aprily — I Masindahy Léon IX dia papa teo anivon'ny Moyen-Âge. Bruno d'Eguisheim-Dagsburg no tena anarany ary teraka tao Eguisheim izy ny 21 jona 1002 ary maty tao Roma ny 19 aprily 1054. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana andriana tao Alsace i Bruno ary evekan'i Toul izy no notendren'ny amperora ho papa ka nankatoavin'ny mpitondra fivavahana tao Roma izany.

Vao dimy taona i Bruno dia nankinina tamin'i Berthold, evekan'i Toul ny fanabeazana azy. Nanamarika azy tokoa ny fanavaozana natao tao Gorze. Rehefa maty io mpiahi azy io dia nantsoina ho tao an-dapan'ny mpanjaka Conrad II le Salique izay nanohana ihany koa ny fanavaozana ny fiainan'ny mpitoka-monina, i Bruno, ary nohamasinina ho diakra ny taona 1025. Raha vao 24 taona indray izy dia natolotra hisolo an'i Hermann evekan'i Toul, ary nohamasin'i Poppon, arsevekan'i Trèves ny 23 mey 1026.

Roapolo taona teo ho eo no nitantanan'i Bruno ny diosezin'i Toul. Tolona lehibe nataony tamin'izany ny fanoherana ny fanaranam-batana nataon'ireo mpitondra fivavahana na nicolaïsme sy ny fivarotana na fividianana ny andraikitra teo amin'ny fitantanana ny Fiangonana na simonie. Niandany tanteraka tamin'ireo ezaka fanavaozana natao tao Cluny sy Gorze izy tamin'izany, ka nantsoiny ho mpiara-miasa akakiky taminy ireo mpomba izany fanavaozana izany. Tamin'izany indrindra no nihaonany tamin'i Hildebrand, izay ho lasa papa Grégoire VII tato aoriana. Nampihatra fitondran-tena manetry tena sy tia vavaka i Bruno ary notereny hampiahtra izany koa ireo manodidina azy. Nisy fifandirana teo amin'i Conrad II sy i Eudes de Champagne ny amin'ny fandimbiasana ny mpanjaka Rodolphe III izay maty tsy nanan-taranaka ka i Bruno nanelanelana nanao izay hampilamina ny disadisa sy hitandroana hatrany ny fandriam-pahalemana ka nitombo laza nihoatra ny faritr'i Lorraine izy tamn'izany.

Tamin'izany fotoana izany ihany koa dia nifaninanana ny fanendrena izy ho dimbin'i Masindahy Pierre : tetsy an-daniny ny amperora izay efa nanomboka ho very hasina teo amin'ireo tompomenakely, tetsy ankilany kosa ireo comtes de Tusculum avy amin'ireo fianakaviana matanjaka tao Roma. Tao anatin'ny fotoana fohy monja ohatra dia nisy papa roa nisesy (Clément II sy Damase II) notendren'ny amperora, maty nisy namono. Tsy maintsy hanendry papa kinga sy mendrika ara-pitondran-tena ary ankatoavin'ireo fianakaviana lehibe tao Roma anefa ny amperora Henri III, ka i Bruno no natolony noho ny fahombizn'ny fitantanany tao Toul. Nankany Roma i Bruno nifampiresaka tamin'ireo fianakaviana matanjaka ireo ary niangavy azy ireo mba hifidy azy, tsy noho ny maha olona natolotry ny amperora azy, fa hifidy azy raha hitan'izy ireo fa mendrika izany izy. Nandray ny Fiketrahana Masina àry izy ny 01 febroary 1049 ary nifidy ny anaram-piandrianana Léon IX ho fahatsiarovana an'i Léon le Grand izay nametraka ny evekan'i Roma ho dimbin'i Masindahy Pierre.

Satria novolavolain'ny fanavaozana avy any Cluny i Léon IX dia nahatsapa tsara fa ny tsy fahamendrehan'ireo papa teo aloha no nahatonga azy ireo ho very hasina. Noheveriny ihany koa fa tokony tsy hanam-pahefana amin'ny fiainana sy ny fitantanana ny Fiangonana ireo andriamanjaka. Toy ny tany Toul ihany, dia saika olona mankasitraka ny fanavaozana avokoa no nantsoiny ho mpiara-miasa akaiky taminy. Dia mbola i Hildebrand ihany ohatra no nataony ho sous-diacre ka nampiandraiketiny ny fitantanana ny fidiram-bolan'ny Fiketrahana Masina izay efa saika banky rompitra tanteraka. Namboariny sy navaoziny tanteraka ihany koa ny fitantanana ka nofoanany ny kitrano an-trano sy ny fangihazana ny fahefana nataon'ireo fianakaviana tao Roma.

Raha vao niandoha ny fitantanany dia nampiantso Kônsily tao Roma Léon IX ny volana aprily 1049, mba hanamelohana ny simonie sy ny nicolaïsme. Tsy nety nanatrika izany anefa ireo prélats avy any Allemagne sy France. Mba ho fiarovany ny fanavaozana tiany apetra àry, dia nandeha nitety an'i Europe izy nanomboka ny jolay 1050 ka hatramin'ny lohataona 1051, ary ny jona 1052 hatramin'ny martsa 1053. Voatetiny avy any atsimo, Bénévent, ka hatrany avaratra, Cologne ; ary avy any andrefana, Reims, ka hatrany atsinanana, Bratislava. Isan'ny fanavaozana tiany apetraka tamin'izany ireto :

  • ady amin'ny fivarotana na ny fividianana ireo andraikitra ao amin'ny Fiangonana (simonie) ;
  • ady amin'ny fanaranam-batana ataon'ireo mpitondra fivavahana (nicolaïsme) ;
  • ny eveka dia tokony tsy ho olom-panjakana, fa tokony ho teôlôjianina ;
  • fiverenana indray amin'irep hatsaram-panahy kristianina.

Nesoriny tamin'ny andraikiny ary noroahiny ireo eveka meloka tamin'ireo. Nandritra ny fitantanany dia nampiantso Kônsily 12 i Léon IX. Notereny hampitsahatra ny fifandonana (trêve de Dieu) ireo tompomenakely tsy mitsahatra miady sy mifanafika tamin'ny taona 1050.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...