08 mey — I Md Désiré dia teraka tao Sancy tamin'ny fiatombohan'ny taonjato faha-6. Nobehazina tamin'ny fitiavam-bavaka kristianina izy sy ny fandalinana ny haisoratra, niaraka tamin'ireo rahalahiny roa, ary fantan-daza tao an-tanàna tamin'ny hatsaram-panahiny.

Mpitana ny tombokasem-panjakana, ary voatendry ho eveka tao Bourges izy taorian'ny nahafatesan'i Masindahy Arcade. Niezaka hatrany ny hahafaly ny rehetra izy teo amin'ny fanatanterahana ny asany, ary matetika izy no maniry hiala ao amin'ny lapa noho ny fiainana tao feno haratsiana sy habibiana. Nampihavaka azy ny fiezahana hatrany hampanjaka ny fihavanana sy ny fandriampahalemana. Anisan'izany ny nampihavanany an'i Anjou sy i Poitou izay niady. Ary nadravona, ihany koa izy, ny adin'ny foko Allemand, vonono ny hifamono tamin'izany fotoana izany.

Nadray anjara tamin'ny Kônsily faha-5 tao Orléans izy, fivoriam-be tamin'ny taona 549, ny faharoa tao Auvergne izay nanomboka herintaona tao aorian'io. Ireo konsily ireo dia nanameloka ny hadisoan'i Nestorius sy i Eutychès, ary nanolotra fitsipika hendry ho fiarovana sy famerenana amin'ny laoniny ny fitsipi-piainan'ny pretra sy ny Fiangonana. Sivy taona moa no nanaovan'i Désiré an'izany asa izay tao amin'ny dioseziny, izany hoe ny naha eveka azy izany. Nodimandry ny 08 mey 550 i Désiré.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...