Alarobia 4 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40

[auido src="/images/sounds/evj-20220504.mp3" background="#0099ffff"]

I Jesoa ilay mofon’ny fiainana, atonintsika mba ahazahoana ny fiainana araka an’Andriamanitra. Misy mahita azy nefa tsy mino, fa tsy afaka ny hino azy manko izay tsy miditra amin’ny Eokaristia, amin’ny fanekena fa fanomezan’ny Ray avokoa ny zavatra rehetra.

Ny fiombonana amin’ny zanaka no ahafahantsika mitia ka miditra amin’ny fiainana izay tsy ho levona mandrakizay. Ny fahitantsika ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny zanaka no finoana azy, ka ahafahantsika miara-maty raha ny amin’ny fahotana ary hiara-mitsangana amin’i Kristy maty fa nitsangan-ko velona kosa.

Izay mahita fa ao amin’i Kristy maty, nahafoy ny ainy no afaka higoka ny hasambarana rahatrizay ; entina milaza fa ny fitiavana fa tsy herisetra no lalana mitondra amin’ny fiadanana ary ny fikatsahana izany fiadanana sy fandriampahalemana izany no hasambaran’ny zanak’Andriamanitra. Hoy indrindra mantsy i Masindahy Augustin hoe : noharianao izahay ry Andriamanitra mba ho anao ka tsy hitony ny hetahetam-ponay raha tsy ao aminao. Tsy ho diso anjara amin’ny fitiavan’Andriamanitra anie isika tsirairay avy mino ny fitsanganan’i Kristy ho velona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...