Alatsinainy 16 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26

Ambaran’i Kristy amintsika fa izay mitandrina didiny no manana fitiavana azy sy ilay naniraka azy. Mazava eto fa ampy hanehoantsika fitiavana an’i Jesoa ny fiainana ny didiny. Rehefa tia an’i Jesoa dia lasa mitovy faniriana aminy, miaina ny sitrapony. Ny fitandremana ny teniny dia midika hoe mitoetra ao aminy isika.

Ary eo am-apanarahan-dia azy izay isika no nampanantenaina ny Fanahy Masina izay mampianatra antsika ny zavatra rehetra. Ka matoky izany fampanantenan’i Kristy izany ve isika ? Indrindra rehefa ao anatiny fahasarotana, mba mangataka ny fanilovan’ny Fanahy Masina ve isika ? Ilaina tokoa ny matoky sy mandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina, izay fanomezana lehibe nomena antsika zanany. Koa raha tojo fotoan-tsarotra ara-pinoana dia mazotoa mangataka ny fanilovany sy ny toroheviny. Mazava mantsy ny fampianaran’i Kristy, fa io Fanahy Masina io no hanala ny tahotra sy ny fisalasalana ao amintsika ary hanafy antsika hery vaovao hahafahana miady amin’ny ratsy. Koa mba hahafahantsika mivelona tanteraka ny fampianaran’i Kristy àry, dia mazotoa mangataka mandrakariva ny fanilovan’ny Fanahy Masina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...