Zoma 22 jolay 2022 — Masimbavy Marie Madeleine — Lazao anay, ry Maria, izay hitanao teny an-dalana. Ny fasan'i Kristy velona no hitako sy ny voninahitr'Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1-2. 11-18

I Masimbavy Maria Madelenina ilay mpanota nivalo ambaran’ny Evanjely fa tsy mahafoy an’i Jesoa intsony nony efa nibebaka sy nandroahany demony fito, vehivavy nanaraka an’i Jesoa sy nihaino ny teniny.

Ny Vaovao Mahafaly atolotry ny Fiangonana ho antsika androany no ahitana taratra ny fandreseny ny fahafatesana. Vehivavy iray raiki-tahotra irery, nandeha maizina namakivaky ny lalana. Fahagagana lehibe ny vato efa nisokatra. Nony tsikaritr’i Maria fa fasam-poana no novantaniny dia noheveriny ho nisy naka an-tsokosoko ny razana.

Ry Maria, notononin’i Jesoa tamin’ny anarany izy, entina milaza fa na dia tsy mahalala azy loatra aza i Maria dia fantany kosa. I Jesoa dia mahalala antsika tsirairay avy, miantso antsika amin’ny anarantsika. Rabony : Ry mpampianatra, manomboka tamin’ny fanononan’i Jesoa ny anarany koa no nahatonga saina tanteraka an’i Maria ka nahatonga azy hahatsiaro ny zavatra rehetra sy ny fampianaran’i Jesoa taminy, dia lasa izy nilaza ny Vaovao Mahafaly.

Isika ihany koa dia voaantson’i Jesoa tafatsangan-ko velona hitory ny Vaovao Mahafaly. Tsarovy fa ny fitiavan’i Maria Madelenina no manafaka ny fahotany, mangataha mba hazoto hitory an’i Jesoa tafatsangan-ko velona isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...