Zoma 14 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra favalo amby roapolo Mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 1-7

Ry kristianina havana ; rahefa avy nifanazava tamin’ireo manam-pahefana Jody i Jesoa dia mitodika mankahery ireo mpianany. Ny fitondran-tena tokony hananana no anombohany izany. Tandremo ny fihatsaram-belatsihy, hoy Izy : miseho ho tsara sy masina eto ivelany kanefa tsy izany ao anaty. Mamita-tena ihany izay mihatsaravelatsihy satria ny marina tsy mba maty. Aoka ho marina amin’ny tena.

Ny fankaherezana faharoa dia hoe ataovy antso avo ny fampianaran’i Jesoa ho ren’ny rehetra dia hiharihary ho azy eo izay fihatsaram-belatsihy ; satria ny marina toy ny afo, hoy ny fitenenana, ka izay mikobona azy ny ho may.

Ny fankaherezana fahatelo dia hoe Andriamanitra ihany no atahory satria izy irery no afaka mamery ny fanahy amam-batana any amin’ny afobe. Tsy tokony hatahotra ny olombelona satria samy mbola hotsaraina aza. Mamelombelona ery ny tenin’i Jesoa hoe "izao no lazaiko aminareo sakaizako", izany hoe manaiky hiray aina amintsika izy, tsy mamela ho irery, tsy mandao, sakaiza mahatoky, tongotra miara-mamindra sy fo miara-mitempo. Fa ny tena lehibe dia ny hoe mahatoky Andriamanitra niantso antsika ; azo antoka ny teniny hoe tsy avelany hisy ho very na dia iray aza, efa voaisany hatramin’ny singam-bolo ary efa vita tombonkavatsa eo an-tanany sy efa voasoratra anarana any an-danitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...