Alakamisy 19 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12

Manambara ny endrik’Andriamanitra fitiavana, ny asa sy fihetsika ary teny ataon’i Jesoa, araka ny lazain’ny Evanjely anio : manasitrany ny rofy rehetra Izy eto, izany hoe tiany mba ho afaka amin’ny ratsy rehetra isika olombelona ; naka sambokely izy hitanila mba hahafahany mampita ny hafatr’Andriamanitra amin’iretsy olona marobe tonga nanatona Azy sy hahitan’izy ireo Azy bebe kokoa.

Mbola tsy lavorary tanteraka anefa izany fitiavan’Andriamanitra izany satria mila mandalo fijaliana sy fahafatesana Izy. Izany indrindra no nandraràny ireo demony noroahiny, sao Mesia tapany no azon’olona fa tsy ilay Mesia vonona ny hitondra hatramin’ny farany ny hazofijaliana ho famonjena antsika olombelona mpanota.

Asaina isika kristianina, haka tahaka an’i Jesoa, manao soa hatraiza hatraiza, fa izany no hahafantaran’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra. Asaina ihany koa isika hahay hanasitrana ireo karazana ratra sy fery misy ao anatin’ny tokantrano sy fiaraha-monina ary ny Fiangonana misy antsika, fa mila manomboka avy ao any asa soa ataontsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...