3 mey 2023 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Fety — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)

Ry kristianina havana ! Mankalaza an’i Masindahy Filipo sy i Masindahy Jakôba Apôstôly ny Eglizy androany. Anisan’ny Apôstôly nanana ny maha izy azy ireto apôstôly ankalazaintsika androany ireto satria nijoro tamin’ny finoany sy ny foto-keviny manoloana an’i Jesoa iraky ny Ray hamonjy antsika. Anisan’ny tombony ho azy ireo moa ny fifaneraseran’izy ireo mivantana tamin’i Jesoa sy ny niantsoan’i Jesoa azy ireo mivantana. Anisan’ny tena nampiavaka an’i Filipo ny filazan’i Jesoa taminy fa “Izy sy ny Ray dia iray ihany”, ka izay mahita Azy dia mahita ny Ray raha nangataka taminy Filipo hoe “asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izay”. I Jakôba kosa indray, ilay antsoina hoe Jakôba zandriny, satria misy Jakôba zokiny amin’ireo Apôstôly ireo, ny nampiavaka azy dia ny fanoratany taratasy izay voarakitra ao anaty Baiboly fony izy Eveka tao Jerosalema ka nitarihany ny ondriny tamin’izany tamin’ny alalan’ny finoana arahina asa. Anisan’ireo vatofototra iorenan’ny finoantsika tao aorian’ny Pantekôty ireto Apôstôly ankalazaintsika anio ireo satria naneho teo amin’ny tenany sy ny asany ny fijoroana ho vavolombelona ka nahafoy ny ainy ho martiry toa an’i Kristy ho an’ny fitiavana ny ondriny sy ny Eglizy nankinin’i Kristy tamin’izy ireo.

Mbola ao antin’ny fankalazana ny Paka moa isika izao ary mbola i Masindahy Joany hatrany no manoratra ny Evanjely aroso ho antsika. Efa nambaran’i Jesoa omaly teto fa raha miezaka mahalala azy isika dia hahalala ny Ray ihany koa. Hamafisiny izany amin’ny alalan’ity Evanjely naroso ho antsika teo ity fa ny lalana mitondra makany amin’ny Ray dia Izy, noho izy Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. I Jesoa no tonga teto an-tany moa dia fanambaran’Andriamanitra ny Tenany ary anisan’ny misongadina amin’izany i Joany amin’ireo mpanoratra ny Evanjely efatra ireo. Adidintsika ny miezaka manakatra sy mahalala ny Ray sy ny misiteriny ao amin’i Jesoa Kristy Zanany nirahiny ho antsika. Tsy azontsika izany raha tsy miezaka mandalina ny finoantsika isika ary mandalina ny misitery fonosin’Andriamanitra Trinite Masina. I Filipo izay ankalazaintsika androany dia nisongadina tamin’ity fitakiana ny marina tamin’i Jesoa Fahamarinana ity, nangataka tsotra ary mazava hoe “asehoy anay ny Ray”. Valin-teny mazava manambara fa i Jesoa dia endriky ny Ray no amalian’i Jesoa azy ka ny finoantsika sy ny fankatoavantsika azy dia finoantsika sy fankatoavantsika ny Ray, satria Izy sy ny Ray dia iray ihany. Toa an’ireo Apôstôly nankatò ny Tenin’i Jesoa ary nanolotra ny fiainan’izy ireo manontolo ka mbola mahavelona ny Eglizy mandrak’ankehitriny no ndeha hiezahantsika bebe kokoa hatrany handeha, hiaraka amin’ny Eglizy, hiombona, hiara-miantsoroka izay manandrify antsika mba hahafahantsika mamokatra bebe kokoa hatrany satria eo mandrakariva i Jesoa miahy antsika. Eo anatrehan’ny fahasoavana maro angatahantsika amin’Andriamanitra dia aza mihataka amin’i Jesoa Mpanelanelana antsika fa miahy sy manampy antsika andian’odriny mandakariva izy fa tsy hamela antsika ho irery na inona na inona zava-miseho amin’ny fiainantsika.

Jesoa Tompo ô ! Ampio izahay ankehitriny manoloana ny vanim-potoana diavinay, hijoro ho vavolombelonao tahaka ireo Apôstolinao izay nirahina hitory eran-tany hanitatra ny Fanjakanao ary tsy hisatry fanahy fa hahafoy hatramin’ny aina aza mba hampitoetra mandakariva ny Eglizinao ety an-tany ka hatrany an-danitra. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...