Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny krsitianina tany Kôrinto (Kôr. 15, 1-8)

Niseho tamin’i Jakôba ny Tompo, vao tamin’ny Apôstôty rehetra.

Ry kristianina havana,
ampahatsiaroviko anareo ny Evanjely notorìko taminareo,
izay noraisinareo, sy niorenanareo, ary hahazoanareo famonjena,
raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo;
afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo.
Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra,
araka ny nandraisako azy:
maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina;
dia nalevina Izy, sy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina;
ary niseho tamin’i Sefasy, vao tamin’ny roa ambin’ny folo.
Manaraka izany dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy,
ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny,
fa ny sasany ihany no efa nody mandry.
Rahefa izany, dia niseho tamin’i Jakôba Izy, vao tamin’ny Apôstoly rehetra.
Ary faran’izy rehetra, mba nisehoany koa aho,
dia izaho izay toy ny tsy tonga volana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4-5

Ny soratra ataony tsinjo eran-tany.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka.
Ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany;
tsy feo mba manako horenesin’ny sofina.
Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)

Izay ela izay no nitoerako teto aminareo nefa tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’i Tômà nanao hoe:

“Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao, dia mahafantatra Azy ianareo,
sady efa nahita Azy.”

Dia hoy i Filipo taminy:

“Asehoy anay ny Ray, Tompoko,
dia ampy ho anay izany.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy,
dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray,
ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko;
fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.

Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy,
satria mankany amin’ny Ray Aho,
ka izay rehetra angatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako
dia hotanterahiko avokoa,
mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.
Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo
dia hotanterahiko izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...