30 mey 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)

Raha niresaka mahakasika ny fifandraisana amin’ny haren’ny tany tamin’ireo mpianany i Jesoa omaly, ka tamin’izay no nanasany azy ireo tsy hifikitra fa hahafoy ary ho vonona ny hizara izany amin’ireo mahantra, fa izany no ahafahana manara-dia Azy ; Manazava amintsika izany karazam-piainana maimaim-poana no sady ahitana toe-tsaim-panompoana ny hafa kosa ny horesahina amintsika anio.

Tian’i Piera hohazavain’i Jesoa ny karazam-piainana nirotsahany, satria zava-baovao amin’izy ireo ity resaka maimaim-poana sy fanompoana ity. Karazam-piainana mifanaraka amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra tian’i Jesoa Kristy hajoro eto an-tany izany ; koa amin’izany, mivelatra bebe kokoa ny fianakaviana ary mitombo isa izay tsy izy ; mifanohana sy mifampizara ny manta sy ny masaka ny mpianakavy, ka mampihena ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra. Manam-pahasahiana ihany koa ny tsirairay ka tsy matahotra velively ny fanenjehana satria manantena ny fiainana mandrakizay.

Io karazam-piainana ahitana fifampizarana io, fa tsy anjakan’ny fitiavan-tena, no hanasana antsika kristianina mba hiainana ankehitriny. Azo heverina fa tsy mora satria mirona amin’ny fitsinjovana ny tena aloha, vao hijery ny hafa isika, kanefa raha zohina ny vokatry ny fiainana feno fitsinjovana ny hafa dia betsaka ary mahasambatra kokoa noho izy miteraka fifanohantohanana sy fifampiahiana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana andavanandro. Angahontsika àry, ny fahasoavan’Andriamanitra hananantsika faharetana amin’ny fanaovan-tsoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...