Alarobia 04 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 2-32 — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

0 : 00

Ry Kristianina Havana! Raha nampianatra antsika ny toe-po amam-panahy tokony hananantsika i Jesoa anehoana ny maha mpivavaka antsika dia tena ilàna finoana izany, ary io no asa takiana amintsika voalohany raha ivavaka isika. Hasaina isika ary hiangaviana mba hibebaka amin’izao Karemy izao fa io no antoky ny fanjakan’ny lanitra ho antsika.

Mitaky finoana amintsika izany fibebahana izany ary izany indrindra no isan’ny asian’ny Tenin’Andriamanitra tsindrim-peo androany ary entin’i Jesoa hilazana amintsika fa tokony hino isika fa tsy hiandry famantarana foana.

Raha ny tsy finoana, na ny fankahalana no manjaka sy mameno ny atifon’ny olona iray, dia ampy hanova ny endrika sy ny toetra ary ny asan’ny hafa eo imasony izany. Izany no zavatra hita, indray andro, teo amin’ireo olona nihaino an’i Jesoa izay mbola nangataka famantarana taminy. Ny famantarana tadiavina mantsy no porofo entina miaiky indraindray fa marina na tsy marina izay rehetra lazaina amintsika. Raha raisina amin’ny fiainantsika andavan’andro moa dia efa maro loatra ny kobaka am-bava sy ny kabary ambony vavahady entina mandresy lahatra fotsiny fa tsy misy vokany ary mila ho leo isika indraindray. Hany ka eo amin’ny sehatry ny finoana sy ny fivavahana avy no miseho izay fitadiavana porofo izay vao hiaiky na hanatanteraka izay takiana sy asaina ataontsika.

Na dia efa maro aza ireo famantarna sy zava-mahagaga nataon’i Jesoa teo imason’ireo vahoaka Jody dia sarotra ho azy ireo ny nino. Ny mpianatr’i Jesoa aza moa mbola nisalasala ihany indraindray na dia efa niaraka Aminy isan’andro aza. Nilaza anefa i Jesoa fa tsy homena famantarana ankoatra ny an’i Salômôna sy Jônasa mpaminany izy ireo, noho ny hamafin’ny fony.

Zava-dehibe ny fahendren’i Salômôna ary tsara halain-tahaka, ary nadresy lahatra ka nampibebaka an’i Niniva ny fahaizan’i Jônasa niteny, kanefa dia mihoatra lavitra noho izy ireo i Jesoa. Koa mangataha àry, indrindra amin’izao Karemy izao, mba hisokatra ny masom-panahintsika ka hahay hino sy handray an’i Jesoa, ilay tena famantaram-pitiavana namonjy an’izao tontolo izao sy nisolo voina antsika. "Ny toky fitaka, fa ny atao no hita". Ary ny asantsika eto an-tany ihany no manaraka any an-koatra, satria "ny entim-belona, hono, no enti-maty". Koa aoka isika hino fa Fahendrena mihoatra noho ny fahendren’olombelona rehetra i Jesoa. Dia ho izany finoana Azy izany no hoentintsika manatanteraka ireo ezaka sy fivavahana ataontsika.

Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô! Antso ary famantarana ataonay Aminao mila ho isan’andro ny hampitomboanao ny finoanay. Mpankahery Ianao ary fanomezana avy aminao ny finoana koa entano izahay mba hitombo finoana Anao hahefanay izay rehetra takinao hahavonjy anay! Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...