9 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ravehivavy lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao. Ampianarin'i Jesoa isika hivavaka mba ho tanteraka ny sitrapon’ny Ray, ampianariny isika hangataka ny mofon-jaza mba hanafaka antsika amin’ny fampijalian’ny demony ka hahavelona antsika.

I Jesoa nizotra ny lalana nihazo ny faritr'i Tira sy Sidona iny no nanatonan’ilay vehivavy Sirofenisianina niangavy hanasitrana ny zanany. Ilay vehivavy no nanatona azy raha ny fitantaran'i Matio. Ny valintenin'i Jesoa aloha dia hoe tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboakely; tsy azo hadinoina fa ho entin'i Matio mampiditra ny fizarana ny mofo ho an’ny hafa firenena ity Evanjely ity ka manana ny heviny manokana ho antsika tsy Jody mandray anjara amin’ny mofon-jaza. Maro ny avy any atsinanana sy ny avy any andrefana no hipetraka hiara-hihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin'i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakoba any amin’ny fanjakan’ny lanitra (Mt 8, 11-12)

Tsy namaly i Jesoa na dia indraim-bava aza, amin’ny vavaka ataontsika dia fanginana no asetrin’Andriamanitra, fanginana mba ahafahantsika mihaino azy bebe kokoa, ahalala azy bebe kokoa, ka hino fa tsy misy afa-tsy izy irery no afaka hanome antsika ny famonjena. Ny mpianatra raha ny marina dia tsy fitiavana te hamonjy loatra fa leon’ny kiakiakan-dravehivavy; ho an'i Matio dia hoe niantsoantso mafy io vehivavy io. Mesia zanak'i Davida hoy ilay vehivavy nanambara ny finoany amin’ny maha Andriamanitra sy maha olombelona an’i Jesoa, misolo tena antsika ankehitriny: Tompo o! avia ampio aho.

Mila mitandrina isika milaza fa i Israely vaovao ka mihevitra fa fananana azontsika bodoina ny mofon-jaza.Ny Eokaristia no Mofo afaka hanala antsika amin’ny fatorana sy ny fampijalian’ny demony. Fantatr’izay mino fa manana amby ampy, afaka hameno ny sobikan’ny mpianatra roa ambin’ny folo i Jesoa.Tsy misy mpianatra afaka hilaza araka izany fa tsy manana mofo hozaraina, isika rehetra nahazo ny fanasan’ny Zanak’Ondry saingy tsy isika rehetra no madio (Jo 13, 10), omeny antsika koa ny Fanahiny handio antsika amin’ny fahotana.

Izay manam-pinoana no afaka haniry ny hahazo ny mofon-jaza. Tsy sanatria isika no ho sakana tsy hahafahan’izy Ray mizara ny Mofon’ny fiainana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...