24 aogositra 2023 — Masindahy Batelemy, Apôstôly — Fankalazana — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 45-51)

Ry kristianina havana! Mankalaza an’i Masindahy Barthélemy, Apôstôly ny Eglizy amin’ity andro androany ity. I Masindahy Barthélemy ihany no ilay Natanaely nentin’i Filipo nanatona an’i Jesoa, voalazan’ny Evanjely norenesintsika teo. Amin’ny maha Apôstôly an’i Masindahy Barthélemy moa dia maty martiry tahaka an’ireo Apôstôly namany izy, fa na izany na tsy izany dia nisy ny toetra nampiavaka an’ity Olomasina ankalazaintsika androany ity, dia ny fahadiovana sy ny fahatsorana ka nideran’i Jesoa azy raha tonga teo amin’i Jesoa izy nentin’i Filipo. Toetra roa tena goavana takian’i Jesoa mba hananantsika mpanara-dia azy koa ireo toetra ireo, ary nambaran’i Jesoa amin’ny fampianarany tany an-tendrombohitra fa maha sambatra antsika (Matio 5, 1–11).

I Jesoa no fahatanterahan’ny Lalàna sy ny Mpaminany any amin’ny Testamenta Taloha, ka ambaran’i Filipo an-kafaliana amin’i Natanaely raha nifanena taminy izy fa hitany, ary nanasany azy koa mba hizaha azy. Vaovao Mahafaly ity ambaran’i Filipo ity. I Jesoa no Vaovao Mahafaly, Izy no Evanjely aroso ho antsika mba hiainantsika isan’andro. Manao ahoana ny fandraisantsika izany ary manao ahoana ny fiainantsika azy. Mitondra hafaliana ho antsika ve izany, fa tena an-kafaliana tokoa no nilazan’i Filipo azy tamin’i Natanaely tamin’ny Evanjely teo. Maneho toetran’olona miavaka anefa ny nasehon’i Natanaely teto satria dia ny tao am-pony no nambarany nandray izany Vaovao Mahafaly izany: toetra tsotra sy madio. Tsy mafy alai-nify anefa izy na dia namboraka mazava ny tao am-pony aza fa nandeha tokoa nizaha ity Vaovao Mahafaly lehibe nitarihan’i Filipo azy.

Ry havana, tonga mandondona isan’andro ao amintsika, ao am-pontsika tokoa ny antso mitaona antsika hanatona an’Andriamanitra, hanatona an’i Jesoa, ka manao ahoana ny fientanam-pontsika mandray izany ary ny fahamaimaizantsika handeha, ho resy lahatra hitady sy hanatona an’i Jesoa tokoa. Matetika isika no difotra ao anatin’izao fiainana izao ka na tonga mandondona ao amintsika aza ny antso mitaona antsika handray ny Vaovao Mahafaly, dia toa adinontsika izany fa ny fiahiana izao fiainana izao ihany no maha maika antsika. Izany no nambaran’i Jesoa tamin’ny fanoharana mikasika ny mpamafy hoe “latsaka tao amin’ny tany feno tsilo”, ka ireo ihany no namoritra azy tsy hitombo fa ho faty momoka. Amin’ny fiainana andavanadro dia io ilay fitenintsika matetika hoe “sahirana”. Misy foana ny fahasahiranana, fa isika no miezaka hampifandanja izany amin’ny fiainana maha kristianina antsika ary hitondra izany fahasahiranantsika izany eo amin’i Jesoa, hanamaivanany antsika fa efa teniny izany hoe “manatona ahy ianareo izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana fa hanamaivana anareo aho”.

Ankoatra ireo toetra roa lehibe nananan’i Natanaely ka nideran’i Jesoa azy, dia ny fahadiovana sy ny fahatsorana, ka iangaviana mba hananantsika ihany koa àry, dia aoka isika mba ho maimay fo amin’ny fandraisana ny Vaovao Mahafaly, satria manampy antsika hanana finoana izany ary manova ny fiainantika hifanaraka amin’ny an’i Jesoa ary mitondra fifaliana sy fiadanana ho antika.

Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô! Nomenao anay i Jesoa Zanakao ho Vaovao Mahafaly mitondra hafaliana sy famonjena ho anay. Enga anie izao fankalazanay an’i Masindahy Barthélemy, olona tsotra sady nanana fahadiovana, izao hanampy anay handray Azy mba hanovany ny fiainanay. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...