Vakiteny voalohany

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany (Apôk. 21, 9b-14)

Ireo vato fanorenana roa ambin’ny folo dia misy ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.

Izaho Joany dia nahita Anjely iray tonga nilaza tamiko nanao hoe:

“Avia fa hasehoko anao ny Vehivavy ampakarina ho vadin’ny Zanak’ondry.”

Dia nentiny am-panahy tany amin’itý tendrombohitra sady lehibe no avo aho,
ka nasehony ahy ny tanàna masina,
dia i Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra.
Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy,
ary voazavan’ny kintana toy ny vato saro-bidy,
dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly.
Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny;
nisy anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo,
ary nisy anarana voasoratra koa,
dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely.
Vavahady telo no eo atsinanana,
vavahady telo no eo avaratra,
vavahady telo no eo atsimo,
vavahady telo no eo andrefana.
Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny mandan’ny tanàna;
ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo,
dia ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 144, 10-11. 12-13ab. 17-18

Mba ho fantatry ny olombelona, ry Tompo, ny asanao mahery.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra.
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
sy ny voninahitra sy harevaky ny Fanjakanao.
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao,
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 45-51)

Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.

Tamin’izany andro izany,
nifanena tamin’i Natanaely i Filipo dia nanao taminy hoe:

“Efa hitanay Ilay voalazan’i Môizy tao amin’ny Lalàna,
sy nambaran’ny Mpaminany,
dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta.”

Ka hoy i Natanaely taminy:

“Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?”

Dia hoy i Filipo taminy:

“Avia, ary zahao.”

Nony nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa
dia nilaza azy hoe:

“Io no tena Israelita tokoa,
izay tsy misy fitaka.”

Ka hoy i Natanaely taminy:

“Ahoana no nahalalanao ahy?”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.”

Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe:

“Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mino ianao,
satria nilazàko fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”

Dia hoy koa Izy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...