29 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)

Ry kristianina havana; entanin’ny litorjia isika amin’ny foto-kevitra hoe “tia an’Andriamanitra sy ny namana no maha kristianiana”. Henontsika tao amin’ny Evanjely teo ireo olona manontany an’i Jesoa, te haka fanahy Azy, te hitsapa ny fahaizany. Araka ny lovantsofina manko dia misy 613 ny karazana didy fampiharana ny didy folo. Ka ilay fanontaniana hoe inona no didy lehibe indrindra midika hoe iza amin’ireo didy ireo no tandremana dia ampy. Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana no navalin’i Jesoa. Raha zavatra iray no nanontanian’ilay mpanora-dalàna, zavatra roa tsy misaraka no valiny satria tsy mandeha ila fa mifameno ireo.

Ny fitiavana an’Andriamanitra no voalohany satria Izy no ambony indrindra, niandohana sy hiafaran’ny zavatra rehetra ka mendrika azy ny anjara toerana voalohany sy lehibe indrindra. Ny fitiavana ny namana no faharoa satria endrik’Andriamanitra ny namana. Tsy hoe mitovy laharana Andriamanitra sy ny namana ka nampilaharina fa fisehoan’ny fitiavana an’Andriamanitra ny fitiava-namana. Fampianarana sy toe-piainana vaovao nentin’i Jesoa eo amin’ny fiainan’ny Jody ny fitiava-namana milahatra amin’ny fitiavana an’Andriamanitra. Ny fitiavana ny namana hita maso no fisehoan’ny fitiavana an’Andriamanitra tsy hita maso, hoy ny fampianaran’i Masindahy Joany (1 Jo 4, 20-21).

Ary fitiavana no votoatiny satria ny fitiavana no mampisy dikany ny zavatra rehetra. Tsy hevitra tsara tefy, tsy kabary tsara lahatra fa toe-piainana aseho sy asa atao ny fitiavana. Aoka hitombo fitiavana isan’andro isika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...