30 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 10-17)

Ry kristianina havana; mamangy sy manafaka ny vahoakany Andriamanitra. Izany no ventin-kevitr’ity Evanjely anio ity. Raha toa ka voararan’ny lalàna tsy hifampikasokasoka amin’ny vehivavy ny mpampianatra jody, i Jesoa kosa hita nanatona sy nifanosina tamin’ireny sokajin’olona voahilika ireny. Raha voararan’ny lalàna ny manasitra amin’ny andro sabata noho izy andro fitsaharana, i Jesoa kosa dia nanova ny fomba fijery fa ny andron’Andriamanitra dia androm-pamonjena.

Farafahoriana izany tsy mahandrandra ny lanitra akory izany; endriky ny fahoriana sy tandindon’ny fahaverezana manjo ny olombelona. I Jesoa no manao ny dingana voalohany satria Mpamonjy izy. Ny biby aza, hoy izy, karakaraina sy vonjena na dia sabata, tsy mainka ve fa ny olombelona, zanak’i Abrahama, izany hoe isam-bahoakan’Andriamanitra, vahoaka voafidy ka tsy hovonjena. Dia naverin’i Jesoa tamin’ny laoniny sy nasandrany ny fahamendrehan’ity zanak’Andriamanitra.

Tsy hoe fitia te handika ny lalàna fitsaharana amin’ny sabata ny an’i Jesoa fa te hanangana ny fanjakan’Andriamanitra izy dia fanjakan’ny famonjena, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana. Ny famonjena no tanjona. Anasan’i Jesoa antsika sy anirahany antsika izany asa mankadiry izany. Meteza isika ho tanana, tongotra, maso, vava ary fon’Andriamanitra mitia sy mamonjy ny olona. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...