23 desambra 2023 — Sabotsy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)

Ry kristianina havana! Rehefa nanambara tamin’ny alalan’ny filazana samihafa ny Anjely Gabriely ny amin’ireo fahaterahana mahagaga; misongadina i Jesoa sy i Joany Batista, dia indro ny Evanjely aroso ho antsika amin’izao ankatoky ny Noely izao fa mitantara tokoa ilay efa nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny teny nampitondrainy ny Anjely. Misantatra izany ny fahaterahan’i Joany Batsista vao nohenointsika teo.

Teo amin’ny fahaterahany dia efa maro no nametraka fanontanina hoe: “Ho inona re ity zaza ity e?”, hitondra ho amin’ny fahamasinana marina ve sa ho fandavoana ho an’ny maro? Mazava loatra satria mifono mistery izay tsy takatry ny sain’ny manodidina azy ny zavatra niseho ny amin’ny Zakaria rainy, izay moana nandritra ny tao am-bohoka azy, kanefa dia nisokatra ny vavany ary nivaha ny lelany rehefa teraka ity zaza voalaza fa hialoha lalana ny Mesia ity, ary hisava ny lalana hombany. Nanana anjara toerana lehibe noho izany i Joany Batista amin’ny fanomanana antsika ho any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Niparitaka tamin’ireo manodidina an’i Zakaria sy i Elizabeta fa namindran’Andriamanitra fo izy ireo tamin’ny nanalany henatra sy tondromaso azy noho ity zaza teraka ity, ka akory ny hafalian’izy ireo sy ny manodidina azy. Efa namabarantsika tany aloha fa eo anatrehan’ny fahaterahana dia tokony ho hafaliana hatrany no hanentana ny fiainantsika raha tsy hoe angaha zaza tsy nirina. Tsy nijanona fotsiny teo amin’i Maria sy Elizabeta ny hafaliana vokatry ny fananan’izy ireo anaka fa niitatra tsikelikely tamin’ireo manodidina azy. Manomboka tsikelikely teo ny Vaovao Mahafaly ary dia io zaza io mihitsy aty aoriana no hanambara ilay Vaovao Mahafaly lehibe ho avy nampanantenain’Andriamanitra. Sitrak’Andriamanitra loatra izao fahaterahana izao satria mariky ny indrafony araka ny nambaran’ny Anjely hoe tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra hatao ho an’izay tena mino. Tsy araky ny eritreritr’izy ireo moa ny anarana efa nomanin’Andriamanitra ho an’ity zaza ity fa anehoan’Andriamanitra ny fahasoavana tsy ritra omeny antsika; izay rahateo no dikan’ny anarana hoe “Joany”. Mifono hevitra lalina ara-teôlôjika ny fanoratan’i Lioka ny Evanjely fa asehony ny fitohizan’ny fanomezam-pahasoavana tsy taka-polopolorina omeny antsika amin’ny alalan’i Joany sy i Jesoa: i Jesoa midika hoe mpamonjy ka ny famonjena ataon’Andriamanitra antsika dia famonjena maimaim-poana amin’ny alalan’ny fahasoavany tsy ritra. Ilay hafaliana tsy omby tratra tao amin’izy ireo no anisan’ny nampisokatra ny vavan’i Zakaria moana ka naneho fankalazana sy fiderana lehibe.

Jesoa Tompo ô! Ankatoky ny fankalazana ny nahaterahanao izahay ankehitriny. Hafaliana izany, hafaliana mitoetra ary hafaliana maharitra mandrakizay satria hanomananao ny mandrakizay ho anay ny dianao tety an-tany. Ataovy mitoetra mandrakariva ao anatinay izany hafaliana izany ary zarainay amin’ny hafa. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...