6 febroary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

Miresaka mahakasika ny fanarahana ny fombafomba jody mialoha ny fisakafoanana ny Evanjely anio: mila manasa tànana ny Jody mialoha ny sakafo. Tsy nanatanteraka an’izany i Jesoa sy ny mpianany, ka nahazo tsikera avy tamin’ny Farisianina sy ny mpanora-dàlana. Nohararaotin’i Jesoa hampitàna hafatra lehibe ho an’ireo nitsikera Azy sy ho antsika mandraka ankehitriny izany.

Toy izao izany lesona izany: tsara ny manasa tànana mialoha ny sakafo, indrindra ho fitandroana ny fahasalamana, fa aza hadinoina kosa ny fahadiovana anaty, fa io no ankasitrahan’Andriamanitra indrindra. Fahadiovana anaty midika hoe: fibebahana marina tokoa amin’ireo fototry ny fahotana. Fibebahana anaty midika ihany koa hoe: fanatanterahana sy ny fiainana ny didin’Andriamanitra, ny didim-pitiavana, toy ny fanajana ny ray aman-dreny ohatra. Fibebahana anaty midika ihany koa fiainana ampifanarahana amin’ny Tenin’Andriamanitra vakiana, dinihana ary henoina isan’andro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...