Alatsinainy 30 marsa 2020 — Herinadro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 1-11 — Manantena ny Tompo ny fnahaiko, miandry ny teniny aho ; satria hatsaram-po no ao amin'ny Tompo, ary fanavotana lehibe.

0 : 00

Ry kristianina Havana, rentsika teo fa mandritra ny fampianarana ataon’Jesoa no tonga ireto Farisianina maneho tsy fanajana, satria sady manelingelina ny fampianarana no mandroso olana. Fanampin’izay, mbola maka fanahy. Mazava ho azy fa tapaka ny fampianarana ary natrehana ny olana. Teo anatrehan’izay anefa, tsy nahitana hatezerana na toetra maneho fikizitinana akory teo Aminy. Mampianatra antsika mianakavy sahady izay eto mba hahay hiatrika ny zava-misy eo amin’ny fiainana, fa tsy hoe rehefa tsy mifanaraka ny programantsika dia tezitra na kizitina. Eo amin’ny fiainana mantsy, maro ny zavatra mifamahofaho.

Inona àry ity olana eto ?

Vehivavy tratra nijangajanga no nentina teo Aminy. Raha ny lalàn’ny fiaraha-monina mantsy dia tokony toraham-bato izy, ka ny hevitr’i Jesoa no ilaina sisa. Fa, manoloana ny kotaba sy ny antsoantson’ireto olona dia nangina i Jesoa. Mampianatra antsika izany eto hoe : manoloana ny fihantsiana na fakana fanahy ataon’ny hafa, tsy voatery hiteny fa mangina dia ampy. Ny hany nataony dia niondrika ka nanoratra tamin’ny tany. Rehefa manoratra amin’ny tany mantsy dia vetivety io dia tsy hita toy ny voafafa teo. Koa, raha lalàna manameloka olona no nosoratany teo, vao tonga ny orana na ny rivotra mamafa azy dia tsy hita intsony io. Te hiteny Izy fa ny famindram-po ambony noho ny lalàna na ihany koa hoe ny famindrampon’Andriamanitra dia tanteraka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Fa, rehefa nitraka Izy vao niteny hoe : “izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Tsy nisy sahy nitoraka na iray aza hatramin’ny zokinjokiny izay niala mialoha mihitsy. Mampianatra antsika izay hoe : aza maika mitsara olona na manameloka olona. Jereo mandrakariva ny tenanao ary manaova fandinihan-tena lalina, karemy rahateo ny andro, ka rehefa mahatsiaro fa tsy mendrika mandehana mibebaka. Amin’ny fotoana hibebahantsika dia miteny amintsika i Jesoa hoe : “mandehana ka aza manota intsony”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...