Alahady 7 febroary 2021 — Alahady fahadimy mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo ; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39

Ry mpihaino hajaina, mbola mijanona ao anatin’ny Evanjelin’i Masindahy Marka toko voalohany isika anio. Nanomboka moa izany ny alahady faha-3 mandavantaona, alahady niantson’i Jesoa Tompo antsika hizotra amin’ny lalalm-pibebahana (mibebaha ianareo, hoy Izy), alahady ihany koa nametrahany adidy tamin’ireo mpanaraka azy : tsy inona akory izany fa ny hanala ny olona amin’ny herin’ny maizina sy ny ratsy rehetra. Io ilay hoe : "manaraha ahy fa ataoko mpanarato olona ianareo". Tandremana araka izay tratra araka izany ho an’ny kristianina ny mamporisika ny olona hanao ratsy na miray tsikombakomba amin’ny ratsy. Inona àry ny fitaovana entintsika miatrika izany adidy izany ? Ny alahady lasa teo (alahady fahefatra manadavantaona) no mamaly azy. Nisongadina ary miverimberina ao ny teny hoe mampianatra na hoe fampianarana (nampianatra azy toy ny manam-pahefana Izy, hoy ny Soratra Masina). Avy eo nanasitrana ilay azon’ny fanahy maloto i Jesoa. Ny tiana hambara eto dia hoe : rehefa eo anivonao i Jesoa dia efa mihorohoro sahady ny demony, ary rehefa raisinao ny fampianarany dia mandositra aminao ny asan’ny maizina sy ny herin’ny ratsy. Noho izany, aoka hitoetra ao aminao i Kristy fa tsy ho mpandalo fotsiny. Aoka tsy fo donto na fanahy donto, tsy laitrana fampianarana sy fananarana no enti-mihaino an’i Jesoa ao amin’ny Evanjely na enti-mandray ny Tenin’Andriamanitra.

Anio koa àry, mitohy ny asan’i Jesoa mpanasitrana ny rofin’ny vatana sy ny fanahy. Niantomboka izany tamin’ny rafozambavin’i Simona : rehefa nolalovan’i Jesoa izy sy noraisiny tanana ary nareniny dia afaka ny tazony. Fihetsika maneho fananganana ny maty io. Azo antoka fa izy io avy eo no nikarakara ny sakafo antoandro ho an’i Jesoa sy ny mpianany.

Ry Havana, marary ary efa miala aina mihitsy aza ny sehatra maro eo amin’izao tontolo izao ankehitriny : mararin’ny hain-tany ny fambolena, mararin’ny tsy fahampian’ny orana ny biby, mararin’ny valan’aretina Covid-19 izao tontolo izao, marary ny toe-karenam-pianakaviana ankehitriny, marary ny olona maro mampiasa tsy ampiheverana ny teknolojia, marary ireo manary ny kolotsaina sy ny fahendrena, marary ilay olona noheverina atao hoe mpanarato olona, marary ireo mpanararaotra sy mpanao herisetra ara-nofo, marary ireo mpanararaotra ara-pinoana. Aoka àry, tsy ho katro-doha fotsiny na fikaonan-doha etsy sy eroa no hiatrehana izany na fifanomezan-tsiny manondro an’izatsy sy izaroa ho tompon’andraikitra. Aoka ny isam-pianakaviana sy isam-piangonana ary ny olona rehetra hitondra izany eo anatrehan’i Jesoa sahala amin’ny voalaza ao amin’ny Evanjely hoe : ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona tao am-baravarana avokoa. Izany ilay hoe fijery mifantoka amin’Izy Tompo mpanasitrana, tsy miroaroa saina ary tsy miahankan-kevitra. Izy manko ilay efa niteny hoe : "mankanesa aty amiko ianareo mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana fa hanamaivana anareo aho". Ny omby indray mandry anefa tsy indray mifoha, hoy ny fitenintsika, ary izay malady havanana. Koa rehefa nomen’Izy Tompo ny fahasalamana àry ianao : inona no havalinao Azy ?

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...