Alahady faha-6 - Taona A fankalazana ny Paka - Ny Fanahy Masina no manohy ny asan’i Kristy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Harivan'ny nanasan'i Jesoa Kristy ny tongotry ny mpianatra no nanaovany ity fampianarana ity, izay nanomezany ny didy dia ny "fitiavana", ity Evanjely ity dia mirakitra ny didim-pananan'i Jesoa, momba ny fitiavana. Fifandraisan'ny fitiavana sy ny fankatoavana ; ny fisehoan'ny fitiavana an'i Kristy dia ny fitandremana ny didiny...
Alahady 19 aprily 2026 - Alahady faha-3 - Taona "A" fankalazana ny Paka : Mitoera eto aminay, Ry Tompo ; Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao Azo zaraina efatra ny dingana nizoran'ireo roalahy vao nahalala an'i Jesoa : Ny fahadisoam-panantenana teo amin'izy roalahy, ny fahatongavan'i Jesoa niara-dalana tamin'izy ireo, Jesoa mampianatra ny Tenin'Andriamanitra, ary farany ny famakiana ny mofo nataon'i Jesoa. I Jesoa, Andriamanitra dia tsy miandry fotsiny antsika ao amin'ny Tabernakle fa manantona antsika eny amin'ny fiainana andavanandro, anaty ny sarotra, ary mihaino Izy....
Alahady 12 aprily 2026 : Alahady faharoa - Taona A fankalazana ny Paka - MIfalia sy mifankatiava ao amin’ny Tompo. Aleloia. Aleloia. Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino. Aleloia. Ny fitsanganan-ko velona dia tsy voafehin'ny toerana sy ny fotoana, ary tsy voafehin'izao tontolo izao satria efa nandresy an'izao tontolo izao ary velona i Jesoa. Velona i Jesoa ary velona mameno izao rehetra izao. Andriamanitra dia tsy manilika ny olombelona fa miantso mba hiraikitra aminy ary miantso ny olombelona hanana fiombonam-pisainana sy fiombonam-piainana...
Alahady 05 aprily 2026 - Alahady Paka : Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa - Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo. Tsy nahatana an'i Jesoa ny herin'ny maizina sy ny fahafatesana ; nandresy ary nitsangan-ko velona ny Tompo ary tsy maty intsony. Lalina sy mahagaga ny ataon'Andriamanitra ho antsika, manambara ny nahafatesanao izay ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra. Ao anatin'ny hateloana fankalazana ny Paka dia tsy mihanona fotsiny amin'ny fahatsiarovana ny fijalian'ny Tompo isika fa hiditra amin'io Mistery io ka hataontsika fihetsepony ny fihetsepo ao amintsika, hiainana izay niain'i Jesoa...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco