Alahady 19 aprily 2026 - Alahady faha-3 - Taona "A" fankalazana ny Paka : Mitoera eto aminay, Ry Tompo ; Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao Azo zaraina efatra ny dingana nizoran'ireo roalahy vao nahalala an'i Jesoa : Ny fahadisoam-panantenana teo amin'izy roalahy, ny fahatongavan'i Jesoa niara-dalana tamin'izy ireo, Jesoa mampianatra ny Tenin'Andriamanitra, ary farany ny famakiana ny mofo nataon'i Jesoa.  I Jesoa, Andriamanitra dia tsy miandry fotsiny antsika ao amin'ny Tabernakle fa manantona antsika eny amin'ny fiainana andavanandro, anaty ny sarotra, ary mihaino Izy....

Alahady 12 aprily 2026 : Alahady faharoa - Taona A fankalazana ny Paka - MIfalia sy mifankatiava ao amin’ny Tompo. Aleloia. Aleloia. Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino. Aleloia. Ny fitsanganan-ko velona dia tsy voafehin'ny toerana sy ny fotoana, ary tsy voafehin'izao tontolo izao satria efa nandresy an'izao tontolo izao ary velona i Jesoa. Velona i Jesoa ary velona mameno izao rehetra izao. Andriamanitra dia tsy manilika ny olombelona fa miantso mba hiraikitra aminy ary miantso ny olombelona hanana fiombonam-pisainana sy fiombonam-piainana...

Alahady 05 aprily 2026 - Alahady Paka : Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa - Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo. Tsy nahatana an'i Jesoa ny herin'ny maizina sy ny fahafatesana ; nandresy ary nitsangan-ko velona ny Tompo ary tsy maty intsony. Lalina sy mahagaga ny ataon'Andriamanitra ho antsika, manambara ny nahafatesanao izay ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra. Ao anatin'ny hateloana fankalazana ny Paka dia tsy mihanona fotsiny amin'ny fahatsiarovana ny fijalian'ny Tompo isika fa hiditra amin'io Mistery io ka hataontsika fihetsepony ny fihetsepo ao amintsika, hiainana izay niain'i Jesoa...

Alahady 29 martsa 2026 - Alahady Sampankazo - Fandinihana ny fijalian’ny Tompo - Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Ny vola noraisin'i Jodasy tamin'ny takalon'ny fanoroana an'i Jesoa dia taratry ny famadihana ny hafa, amin'ny toe-piainana ankehitriny, no sady tsy firaiketana intsony amin'ny marina, ary miafara amin'ny fomonoana aina. Mila mivavaka isika indrindra anatin'ny sarotra ; i Jesoa zanak'Andriamanitra dia nanaiky ny hitondra ny hazofijaliana ho fanafahana ny olombelona...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...